Edito

Arehitra indray ny adim-poko ?


  • Alatsinainy 05 Desambra 2011

Misy miketrika zavatra hafahafa tahaka ny tamin'ny 1995 ka nandorana ny Rovan'i Manjakamiadana indray ve any ambadika any ?

 Nisy namaky ny Lapan'Andafiavaratra ka anisan'ireo zava-tsarobidy tao nisy nangalatra ny satro-boninahitry ny mpanjakavavy Ranavalona. Ekena fa niroborobo sy nahazo vahana tato anatin'ny telo taona ny halatra sy ny vaky trano, saingy amin'ny maha toerana miavaka azy dia azo antoka fa nanana tanjona hafa noho ny halatra tsotra ihany koa ireo izay nanao izany asa ratsy izany ny sabotsy alina teo. Tsy azo lavina mantsy fa mbola misafotofoto be ihany ny tontolo politika eto Madagasikaa amin'izao fotoana na dia efa mitsangana aza ny governemanta sy ny Parlemanta. maro be ny olona sy vondron'olona mahita tombontsoa amin'ny fitarazohan'ny krizy ary tena misy mihitsy aza ireo mitady fomba hambolena krizy vaovao eto. Miavaka raha samy firenena aty Afrika i Madagasikara satria tsy mety miady an-trano na dia efa mafampana ihany aza ireo olana politika tahaka ny tamin'ny 1991, 2002 ary 2009. Sarotsarotra ihany ny hanambaka amin'ny ambogadiny ny Malagasy ka hitsentsitra maharitra ny harena misy eto. Koa tsy mahagaga raha misy mitady ny fomba rehetra hampifandrafiana ny samy Malagasy mba handrehetana io adim-poko io. Ny mpanjanatany no nanisy sira ny fisokajiana ny Malagasy ho Andriana sy Hova ary Andevo.

Ny mpanjanatany ihany koa no nisafidy ny hanome vahana ny zanaky ny foko Merina mihoatra amin'ny avy any amoron-tsiraka mba hampitoetra ny tsy fifankahazoana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany ka tsy hampiray saina tanteraka ny taranak'izy ireo. Na ny fomba nametrahana ilay Faritany 6 aza dia efa hafahafa saingy io moa no nahazatra. Niezaka namafa an'io ihany Atoa Ravalomanana raha nametraka ny Faritra 22 saingy tsy tafavoaka ary tsy nahavita nanova ny tantara. Paikady goavana no nametrahan'ny Frantsay ny zarazarao hanjakana teto ary hita ho tena nahomby ilay izy satria ny Malagasy samy Malagasy ihany dia efa mifanavaka sy mifampiahiahy, ary tsy maintsy misy foana ny taranak'ireo mpamadika tanindrazana tafiditra anatin'ny fitondrana, hatramin'izay ka manakorontana kely ny daomy raha vao mitady hilamina loatra sy masom-bato. Misy tanjona manokana voafaritra tsara ny fihetsika tahaka ity hoe fandrobana ny Lapan'Andafiavaratra ity ary tokony hahamailo ny rehetra, indrindra fa ny mpitondra, satria fihetsika na teny kely tsy voahevitra tahaka ny fanaon'ny tompon'andraikitra sasany dia ampy handrehitra savorovoro amin'ny zavatra toy izao. Sarotra ny resaka raha vao misy ifandraisana amin'ny fomba amam-panao sy kolontsaina.

Manampy izay dia mora tezitra sy misendaotra ihany ny olona amin'izao fotoan'ny krizy izao ka mety mahavita fihetsika tsy voahevitra ka averina eto ihany fa mila mailo sy mitandrina ny rehetra satria mety misy tetika hampiady sy hampifandrafy ny samy Malagasy any ambadimbadika any, ary mety mbola fanombohany ihany izao fandrobana Lapa manan-tantara izao. Antenaina kosa anefa fa ho hentitra ny fanadihadiana ary tena hipoitra ny marina fa tsy sanatria afenimpenina any ho any fotsiny. Fahavalom-pirenena avy hatrany izay rehetra manana eritreritra handrehitra adim-poko na ady an-trano. Ho hita eo ny mety ho tohin'ity raharaha ity fa tena miandry ny rehetra. Maro no efa miteny sahady fa tokony ho haingana be tahaka ny fisamborana sy fanagadrana ireo nambara fa mpanamboatra sy mpametraka baomba no atao amin'ireo izay namaky ny Lapan'Andafiavaratra.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT