Edito

Arahin-dromoromo lava


  • Alatsinainy 30 Novambra 2020

Tsy hilaozana resabe sy toe-javatra hafahafa ny raharaham-pirenena sy ny toe-

 

 

draharaha politika eto amin’ny tany sy ny firenena. Izay rehetra atao toa tsy mba mandeha milamina sy an-kahintsiana, tsy ilaozana olana, tsy ilaozana disadisa,… Mandeha kianjan’ny masoandro dia resabe, mandeha dobo filomanosana any amin’ny tany misy kere dia resabe mazava ho azy, sisin-tany mikatona kanefa misy mpanakanto vahiny raisina toy ny olom-panjakana ambony mbola resabe,… Vao roa andro izay no nandaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2021, dia io ifandroritana noho ny amboletra, rendrarendra, tsy fijerena ny tena filàna sy famahana ny olan’ny vahoaka. Arahin-dromoromo hatrany izay atao! Asa na fomba hoenti-mamilivily resaka eo anatrehan’ireny ity filam-baniny amin’ny olona tsy mitovy hevitra ity? Taiza teto ambonin’ny tany no mbola nisy an’izany hoe: olona miombom-bavaka ao am-piangonana dia andrasana io ivelany sanatria toy ny jiolahy raindahiny? Tsy natao tao anatin’ny 60 taona tokoa izany. Toa lany andro mila ady, mila voatsiary, manangam-pahavalo,… Olona lazaina fa resy lava no atahorana sy hisetrasetrana. Asa re raha ireo eo amin’ny fahefana ankehitriny no teo amin’ny toeran’ny mpanohitra ka mahita ny zava-misy amin’izao: tsy fivahan’ny olana ara-tsosialy, fitotongan’ny toekarena, fandikan-dalàna sy fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny zon’olombelona, didy jadona,… Angamba efa niafara tamin’ny filanjana vatam-paty teny amin’ny 13 mey. Ankehitriny kosa minia manadino ny tantara ka manao ririnin-dasa tsy tsaroana. Diso mahatoky tena loatra, ary tsy hanaiky diso velively, saingy misy farany, hono, ny zava-drehetra.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT