Asa raha mba hisy ifandraisany amin’izany ny fiainam-pirenena eto Madagasikara
fa dia apetraka ihany aloha ny fanantenana! Eny, ofisialy izany fa dia isika izao no firenena farany mahantra indrindra eto ambonin’ity planeta tany ity. Ny tranokala Watson moa no nanao ny fanasokajiana saingy na izany na tsy izany dia nisy ny mari-drefy maro samihafa nahatongavan’ity tranokalam-pifandraisana mivoy maneran-tany ity tany amin’izay famoahana ny hany sehatra mba maha tompondaka antsika eto amin’izao tontolo izao hatreto izay. Amin’ny maha olompirenena dia heverina fa sady marary no maha menatra ny maheno na mahita izany hoe ny 80,3%n’ny mpiray tanindrazana izany no tsy mahita akory ilay 2,15 Dolara isam-batan’olona, isan’andro na 10.085 Ariary. Ny 75,2%n’ny malagasy moa dia miaina ambanin’ny 4000 Ariary isan’andro, hoy ny banky iraisampirenena. Tonga ity ny fifidianana ben’ny tanàna ka dia enga anie ho tonga miaraka amin’izay tokoa ny fanovàna, araka ny famerin’ilay kandida iray eto Antananarivo izay hoe, isika izao no fanovàna! Ny fanantenana, hono, no mampiaina ireo tsy misaina, hoy ry zareo tandrefana, ary mampametra-panontaniana ihany tokoa hoe inona tokoa moa izany no antony iainana rehefa tsy misy ny ho antenaina na ny fanantenana? Azo lazaina ho mbola miaina tokoa ve ny olona tsy misy fanantenana? Noho izany, apetraka ihany aloha ny fanantenana!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.