Edito

Aok’izay fa mankaleo


  • Zoma 13 Aprily 2018

Samy milaza azy ho tia tanindrazana, samy mandresy lahatra ny vahoaka fa nanasoa sy manasoa ary mbola hanasoa an’i Madagasikara,…

ny mpanao politika na ny eo amin’ny fahefana, na ny mpanohitra, na ireo tsy an’ny atsy tsy an’ny eroa. Mba nisy ihany angamba ny nahavita, saingy an-kavitsiana ary ny efa natsangana aza mety narodana sy nopotehina, raha hiverenana ny tantara tany amin’ny 10 taona lasa. Raha ny resaka nataon’ireo rehetra ireo angamba no navadika asa tsy ho toy izao intsony i Madagasikara, fa efa tena tany amin’ny faratampon’ny fandrosoana. Indrisy anefa fa ny efa teo tsy nisy nafitsoka milaza azy ho dokotera tapim-pahaizana afaka ny hitsabo ilay Madagasikara efa nalentiny tany anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana. Ny mpandrava efa, toy ny voalavo no zary lasa nilatsahan’ny fanahy masina angamba, na koa fanahin’ny fampiesonana, ka dia milaza fa vonona hibanjina ny ho avy sy hiara-mandroso amin-dRamalagasy amin’izay. Ny efa eo indray dia mihorohoro ny ho very fihinana sy manantena ny mbola higalabona amin’ny haren’i Gasikara, toa adala tompo ka anjakan’ny adala vonton-kafetsena. Ny tsy mbola teo mitsiriritra, ka ny any an-tsain’ny ankamaroany dia ny hoe iza no tsy mba hihinana? Mankaleo sy mahatsiravina ny mahita ny mpanao politika miresaka fitiavan-tanindrazana sy tombotsoam-bahoaka ity, fa toa zary fanompana vahoaka ny ankabeazany. Raha tena tia tanindrazana mahay mihavana sy mifanantona fa tsy mifanjevo tsy misy fiafarana, sanatria ho toy ny alika miady taolana!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT