Aoka tsy ho

saritsarim-panovana !!! Nitaky fanovana sy fiovana amin'ny


  • Talata 04 Novambra 2025

fitantanana ny Firenena ny vahoaka Malagasy

rehefa avy niforitra anaty tao anatin'ny taona maro, indrindra fa ny 16 taona farany. Efa manomboka hita aloha ny fiovana amin'ny ampahany raha ho an'ny fahafahana sy fahalalahana midina an-dalambe satria na ireo ekipan'ny mpitondra teo aloha izay nampiasa basy aman-tafondro sy nanao andrimaso io kianja manan-tantara io am-polo taonany aza mba nampiasa azy an-kalalahana rehefa lasa mpanohitra. Ny olona indray aza no tsy ampy rehefa nidina an-kianja ny volomboasary! Dia nanao tohivakana teo, hany ka hatramin'ny mpianatry ny lisea omaly no nidina an-kianja naneho ny marary azy,... Efa dingana iray izany, fa ny isan'ny andrasan'ny besinimaro dia ilay fiovana sy fanovana fanapahana tanteraka ny tandim-poitra amin'ny fomba ratsy sy fitantanana nambotry ny Firenena hatrizay: kolikoly, Fanjakana ratsy tantana, fanodinkodinana volam-bahoaka, fampanjakana ny tsy maty manota,... Mila porofoina amin'ny Malagasy fsy saritsarim-panovana no iainantsika fa tena fanovana miampita any amin'ny vokatra sy fahombiazana hita soritra amin'ny fiainany andavanandro. Mety tsy mora, mety tsy vita vetivety,... fa kosa mila ezaka mba tena ho tsapa ilay fanovana sy fiovana namonoan'ny Malagasy tena. Irariana mba tsy hiova ny soatoavina noraketin'ny tolom-bahoaka ka tena ho an'ny tombotsoan'ny Malagasy tsivakivolo, fa tsy ho an'ny tombotsoana tsangan'olona, na vondron'olona, na mpanao politika, na antoko politika vitsivitsy,... Tsy vita iray andro ny fanovana, izay am-polo taona izay aza vita ny niafy azy, saingy mila maneho sy manaporofo ny Fitondrana mijoro fa mizotra any amin'ny niheveran'ny Malagasy maro an'isa azy ity fanovana nimatimatsentsika ity...
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

  • Hetseo ny herijika avy ato anatiny !
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Mafimafy ny tsio-drivotra

  • Mbola betsaka no mila alamina!
  • Talata 07 Aprily 2026

Fanimpiriny izany izao no nahenoana t

Hijery ny tohiny
FTT