Aoka tsy hanao

tari-bato vilam-bava !


  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Misongadina amin’izao

fotoana izao ny raharaha ara-pitsarana mikasika ireo mpitondra ambony teo eloha teto amin’ny tany sy Fanjakana. Samy manana ny fahitany azy, fa ny zava-dehibe aloha dia ny fanehoana fa tsy tokony hisy intsony ny tsimatimanota, mba tsy ho vitavita ho azy ireo fitantanana mamohehitra sy mamoa-doza eto amin’ny tany sy ny Firenena. Ny irariana ihany koa anefa dia ny mba tsy hisian’ny tari-bato vilam-bava, ka sanatrian’ny vava mandeha ny hazalambo an’ireo nanao ny tsy mety teo aloha, kanefa mbola mitohy ny afera maizina hafa fa ny olona sy ny endrika isehoany no miova. Ny ahiahy tsy hihavanana satria mba ihany ireo resaka mandeha sy mivoaka mahavoatontonona olona ambony, izay mety tsy ho voamarina eo noho eo ny fahadisoany na ny fahamarinana, saingy tsy azo hamaivanina. Efa leom-boananana rahateo ny Malagasy, ka tsy ny zavatra nahatofoka azy omaly no tokony hiverina anio. Tsy atao mahagaga raha maro no mimenomenonana sy manakiana eo anatrehan’ny fiovaovana loko ara-politika, ka ny endrika tazanao omaly tatsy ihany no itanao manao fihetsiketsehana eran’ny tanana, fa sy misora-tena ho andry iankinan’ny Fanjakana Fanavaozana. Asa rahoviana vao mba tena handeha amin’ny fahintsiana ity fanaovana politika ity ka tsy entina amin’ny fisolelahana sy fikajiana tombotsoa, ka toa tonga amin’ilay fiteny hoe : samy manao izahay hihinanany !?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

  • Hadihevitra tokony hafana!
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

Hadihevitra tokony hafana,

Hijery ny tohiny
FTT