Edito

Aoka mba hifanaja kosa e !


  • Alatsinainy 07 Desambra 2015

Tsy nisy fampandrenesana, tsy nisy fampitam-baovao, izay laharana an-telefaonina antsoina maty tsy misy mandeha.

 


 Tsy fantatra intsony izay tena marina ao amin’ny Jirama fa dia faritra maro teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina azy indray no niaina delestazy miverimberina omaly nanomboka tamin’ny 4 ora sy sasany tolakandro. Marihana tsara fa tsy mbola nisy orana na tselatra na kotro-baratra tamin’io fotoana io fa dia andro maina tsara. Misy olana ve ny famokarana herinaratra ? Olana ara-tsolika ve sa ny milina mpamokatra no tsy ao tsara ? Sa misy andrana teknika hafa natao indray dia tsy maintsy asiana fanapahan-jiro kely aloha ? Fahalalam-pomba faran’ny kely indrindra anefa ny mba mampandre mialoha ihany. Inoana mantsy fa mba manana fandaharan’asa sy fandaharam-potoana amin’izay zavatra ataony ihany ny Jirama fa tsy hoe manapaka jiro sy rano fotsiny rehefa misy maha maika na maha poritra azy. Mandoa vola ny mpanjifa ka tokony hanaja izany ny Jirama. Tsy vahaolana ilay manafina na mandainga fa maro ny tokantrano simba fitaovana noho ilay jiro tapaka dia miverina isaky ny mihetsika io na dia mandà mafy izany aza ny Jirama. Raha misy ny olana goavana, tsara resahana ihany fa tsy ny olona no avela haminany sy hilefitra lava izao amin’ity delestazy tsy manam-pahataperana ity. Maninona raha tsorina hoe hisy foana aloha ny delestazy fa efa mikaroka vahaolana ny mpitantana ka amin’izao na izao daty hivaha ny olana ? Sarotra be mihitsy ve ny mitsotra ny marina tahaka izany ?

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT