Aoka izay ny politika mirefarefa !

Ny politika tokoa ve lasa tsy hananan-kavana sy hikatsahana tombotsoa


  • Zoma 04 Oktobra 2024

na hifamotehana noho ny hambo-po diso toerana ?

Efa nakisakisaka ny soatoavina sy ny soa iombonana ka tonga hatrany amin’ny fifampitezana amin’ny fifandrafiana marolafy ? Miha mivaona tanteraka ny fomba fiady hita eny amin’ny tambajotran-tserasera eny, zary lasa fitsipi-dalao ny fifanenjehana mahery vaika, fanaratsiana mamohehitra, fifanasoketana,… Na ireo milaza sy mivoy fa hanova ny fanaovana politika aza toa misy tafaroboka amin’io. Marina ary ekena fa tena tokony hatao ny adihevitra samihafa, fanao ny famakafakana na « analyse » tsotsotra na mety ho lalina kokoa, mba hamisavisana ny ho avy, fa ny zava-misy dia toa lasa fambolena fifankahalana sy fifananganana fahavalo. Betsaka ihany koa anefa ny ahiahy, ka zon’ny rehetra ny mamantatra sy mahalala ny mangarahara hoe : iza marina ilay kandida ? Avy aiza ny loharanom-bolany ? Inona no lalana nizorany ? Inona no mety ho vitany ? Ny zava-misy, dia toa mitady ho lasa na taritina any amin’ny fijerena olona na tsangan’olona, terena sy tezaina ho bado tsy hijery lavitra intsony ny Malagasy. Lasa samy mamboly mason-tsivana hisafidianana olona arakaraka ny fijeriny, ka lasa miainga amin’ny hoe : satria ity mahatolotolotra, satria ity malaza,... Tsy any amin’ny vinam-piarahamonina, fandalinana ny làlana nodiavin’ny kandida iray sy ny zava-bitany ary ny mety ho fahombiazany, fa toa mandeha ny filalaovana saim-bahoaka amin’ny zavatra hafa mihitsy. Misy aza ny efa misora-tena ho mpandresy, saingy mandresy amin’ny inona moa raha tarafina amin’izao fiainam-pirenena izao ? Ny fahantrana no mandresy hatreto ka tsy fotoanan’ny adilahy sy ny fandraisana ny hafa ho fahavalo intsony angamba izao fa fotoanan’ny fiaraha-mientana hikatsahana ny soa iombonana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT