Aoka izay ny fanararaotana ny fahalemem-bahoaka!

Efa tafiditra ao anatin’ny hazakazaky ny fifidianana ben’ny tanàna


  • Alatsinainy 07 Oktobra 2024

izay isan’ny tena manakaiky vahoaka indrindra isika amin’izao, na mbola tsy ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy aza.

Samy manana ny paikady heveriny fa hahombiazana ny mpanao politika sy ny kandida. Somary mahazendana ihany anefa ny endrika fanjonoana sy fanararaotana vahoaka amin’ny endriny samihafa. Fomba fiady ny fizarazarana zavatra ka vidiana amin’ny koveta na fanomezana tsy dia mankaiza ny safidin’ny olona. Ny fividianana safidim-bahoaka ankolaka iny, fa miharatsy ihany ny fomba satria mandeha hatramin’ny fanangonana karapanondro sy kara-pifidianana, izay manomboka mandeha ny ampamoaka eto Antananarivo sy manodidina saingy heverina fa tsy eto ihany io. Ny fampiasana vola tsy toko tsy forohana sy fizarana vola, ny tetikasa fitserana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia misy mijapy ara-politika amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Tena potehina tanteraka ny politika sy ny fifidianana eto, ka ny herin’ny vola no ezahana handresena ny fahamarinana sy ny foto-kevitra ary ny vina heverina fa hahomby hitondra fandrosoana. Zary lasa bizina politika ny fifidianana ka toa tadiavin’ny sasany hakana tombony, handomana tapany ny vahoaka handoavany erany. Misy ny antoko na mpanao politika tena mivelyb aponga amin’ny mety ho fahaleman’ny vahoaka satria mora raviravizana vola. Ao ny manararaotra an’izany mba hanehoana fa akaiky sy miasa ho an’ny vahoaka. Misy ihany koa anefa ny manana vina sy vahaolana mahitsy, mety tsotra, kanefa mahomby, ka anjaran’ny Malagasy no manokatra ny masony, mba tsy hoviraviraina lava amin’ny fanomezana misy poizina na « cadeau empoisonné » lava rehefa misy fifidianana satria vidian-dafo an-taonany ny fahadisoan’ny safidy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT