Edito

Aoka izay ny balarora !


  • Alarobia 03 Mey 2017

Ankalazaina anio ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ka tsy very anjara amin’izany isika eto Madagasikara.

Efa ela isika no niady ho amin’izany ary sesilany mihitsy ny hetsika isan-karazany nentina nitakiana io fahalalahana io, indrindra fa tato anatin’ny taona vitsy izay. Tsy arakaraka ny zavatra notakiana no setriny fa toa vao mainka aza nivaralila, ka nihemotra hatrany ny laharantsika izay faha-57 amin'ny firenena 180 amin’izao fotoana izao. Tsy atao mahagaga satria ny olona nilaza azy ho mpitolona sy mpitaky ny fahalalahana aza lasa mpangeja sy tsy manome hirika ho an’ny hafa rehefa nomena toerana ao anaty fitondrana, hany ka lasa fitaovana hisakanana ny anjara masoandron’ny hafa noho ny tsy fitovian-kevitra politika. Firifiry ny haino aman-jery tsy mitovy firehan-kevitra amin’ny mpitondra no tsy havela hisokatra ? Firifiry ihany koa ireo mpanohana no manao izay danin’ny kibony ? Manginy fotsiny ny terisetra sy ny fibodoana ny mari-drefy sy ny fananan’ny haino aman-jery tsy mitovy firehana amin’ny mpitondra. Mbola resaka ambony latabatra aloha hatreto izany fahalalahana izany, fa izay tena finiavana hampanjaka azy dia tsy misy. Aleo mba tena halalaka amin’izay fa tsy atao balarora fotsiny, ka havela hisokatra izay nakatona sy nodorana ary haverina ireo nangalarina e ! Aoka izay ny adin’ny kanosa raha tena fahalalahana marina no tadiavina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT