Edito

Aoka izay lava !


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Lakolosy izay efa nampanenoina teto izay hidradradradrana fa manjaka eto Madagasikara ny tsy rariny sy ny fahasahiranana amin’ny lafiny rehetra.

 

 

 Saika efa heno teto daholo ny karazana « aoka izay ». Aoka izay ny ra mandriaka ! Aoka izay ny kolikoly ! Aoka izay ny herisetra ! Aoka izay ny tsy fandriampahalemana ! Hatramin’ny loza koa aza izany izao dia hiaikana hoe “aoka izay”. Zary lasa fiononana amin’ny fitabatabana aoka izay lava no lamaody eto amin’ny firenena. Arakaraka ny iantsoantsoana anefa no toa vao mainka mampitombo ireo mpanentsin-tadiny sy mampirongatra ireo tsy fetezan-javatra rehetra. Ekena fa miha marefo noho ny vidim-piainana miha tsy zakany ny vahoaka Malagasy saingy hifanararaotana ve sa hifamelomana ? Nandeha ireo tolona sendikaly. 1 na 2 volana raha ela indrindra dia maty momoka. Nandeha ny tolona politika. Tsy dia mifanalavitra amin’izay ihany koa. Andro na volana vitsy aorian’ny tolona anefa dia ny mpitarika irery foana mazàna no mahazo valin-kasasarana avo maro heny noho ny tokony ho anjarany fa ireo mpanara-dia na tsy ambony tsy ambany toy ny lohalika alika na mivarina miha mahantra noho ny nisy azy teo aloha. Ny mahagaga anefa dia misy foana no mbola voatarika an-jambany amin’izy ireny hatramin’izao fa tsy dia misaina loatra ny ambadika. Tsy ny fitakiana akory no ratsy fa ny fomba fanao izay efa hita ho tsy mahomby nefa mbola tohizana hatrany. Ireo milaza azy ho teknisianina sy manampahaizana be dia be eto amin’ny firenena ireo ve dia tsy mba afaka hiketrika paikady vaovao hahombiazana miaraka mihitsy ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT