Manatona ny datin’ny 28 aprily 2010 heverina fa hisian’ny fihaonan’ny efa-tonta any Afrika Atsimo. Tsy misy herinandro intsony dia higadona ny fotoana. Ala nenina farany io, hoy ny sasany, tsotsorimamba hisarahana, hoy kosa ny hafa. Arakaraka ny mampanatona ny fotoana anefa no mampifamahofaho be ihany ny resaka. Mandrahona ny tsy hihazo an’i Afrika Atsimo indray mantsy i Andry Rajoelina raha tsy mazava, hono, ny zavatra hosoniavina avy ary tsy handany andro hiady hevitra sy hifandresy lahatra indray fa tokony fanaovan-tsonia sisa hatao any. Etsy an-kilany, Raharinaivo Andrianantoandro, mitondra ny feon’ny Parlemantera vitsivitsy avy ao amin’ny ankolafy Ravalomanana, milaza fa saropiaro amin’ny tsy maintsy hahitana vahaolana hamahana ny krizy izy ireo. Ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita koa anefa manizingizina fa “tsy azo ekena ny tsy maty manota”. Asa na fifanandrifian-javatra na ahoana fa mifanojo amin’ny filazan’i Christine Razanamahasoa fa hotsaraina tsy ho ela ny “raharaha 7 febroary” izany rehetra izany. Ny Frantsay etsy an-daniny misisika mafy amin’ny handresen-dahatra ireo mpifanandrina politika malagasy mba hankato ny sori-dalana narosony hamahana ny krizy, dia ny hananganana governemanta iombonana hirosoana amin’ny fifidianana. Dia fivoriana atsy, fivoriana aroa. Rehefa jerena sy zohiana anefa ny fanehoan-kevitra dia toa mihodinkodina amin-javatra tokana : tsy tafaverina an-tanindrazana i Marc Ravalomanana. Raha tafaverina eto aza izy, dia fonja na zavatra hafa no mety hiandry azy. Izay no tao ambadik’ilay tolo-kevitra teo am-piandohana fa fihaonana eo amin’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana no hisy, dia saika hofitahina tamin’ny sonia hataony i Marc Ravalomanana, saingy tsy tanteraka izany. Na izany aza dia any amin’ny antoko naorin’i Marc Ravalomanana indray izao no ifandrotehana ny mamotika sy mampizarazara ny mpikambana ao anatiny.
Fiatombohan’ny fahatanterahan’izany fanapotehana izany ny zava-ponosin’ireo fivoriana miafina nifanesy tato ho ato, sy ny fanambarana re sy hita an-gazety tato ho ato. Ambohitsorohitra sy Ambatobe no toeram-pivoriana. Olona enina manana toerana sy andraikitra ambony ao amin’ny ankolafy Ravalomanana no nandray anjara, tsy voatery ho niaraka, tamin’ireo fivoriana nifanesy, nifanaovan’izy ireo tamin’ny solontenan’ny ankolafy Rajoelina, avy amin’ny TGV sy AVI indrindra indrindra. Fito ny olona voatonontonona avy ao. Nivoaka tamin’izany fihaonana izany, fa dia homena Minisitera 11/30 ireto “ankolafy Ravalomanana” ireto, miampy toerana 14/33 eo anivon’ny Antenimierandoholona ary seza 60/160 eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Toa efa narahina sonia miafina tany ireo, ary mety ho izay no nahatonga an’i Andry Rajoelina niteny fa efa misy “protocole” nifanarahana. Fa ny fanontaniana mipetraka eto dia ny amin’ny lanjan’izany sonia miafina tany izany, eo anatrehan’ny fifanarahana tokony hifanaovan’ny efa-tonta. Mandeha mantsy ny feo etsy anilan’izany rehetra izany fa misy vola 400 tapitrisa ariary hanomanana ny fampihavanana ny tanora TGV sy TIM. Ka aoka hazava ny resaka !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.