Malaza sy fitaovana hivoizana hevitra sy fampitam-baovao ara-politika na zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina ny tambajotran-tserasera « facebook » amin’izao fotoana izao.
Misy ny zavatra marina sy diso voizina any anatin’ity tambajotra ity, ary efa niseho teto amintsika mihitsy ny fikorontanana naterany. Toy ny zava-drehetra ihany io hoe misy ny lafy tsarany sy ny lafy ratsiny, izay miankina amin’ny fahaiza-mandanjalanjan’ny mpikirakira azy. Somary mahazo vahana kosa ny fivoizana sy ny fanapariahana foto-kevitra ara-politika. Misy lalàna io, fa tsy izay tian-kambara, dia azo ambara avokoa na efa mihoatra ny fefy aza. Mahazo vahana mantsy ny fametavetana mpitondra ambony na mpanao politika,… Efa mivoatra ny teknolojia, ka misy hatrany ny tratra. Aoka kosa hazava sy hipetraka ao an-tsain’ny tsirairay, mba tsy horaisina hoe vokatry ny tsy fitiavana ny foto-kevitry ny olona iray sy ny hafatra na hevitra haparitany no hanenjehana na koa hanagadrana azy, fa ny fandikan-dalàna nataony, mba tsy hisian’ny fahadisoan-kevitra. Tokony hipetraka ihany koa anefa ny hoe mitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna, fa tsy rehefa ny mpitondra ihany no lasibatra, vao mailaka ery ny fanjakana mitsongo dia sy misambotra, indrindra fa ankolafy avy amin’ireo mpanohitra no fantatra, fa tao ambadika. Toa misy hatrany mantsy ny mizana tsindrian’ila satria matetika no hita mibaribary ny fametavetana mpanao politika sy olona tsy dia mitovy firehana amin’ny mpitondra, saingy tsy mba misy ny fandraisan’andraikitra izany fa sokajiana fotsiny ho trangam-piarahamonina tsotsotra. Aoka hazava ny resaka fa mitovy ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.