Samy miandry izay ho tohin’ity raharaham-pirenena mafana ity hatrany ny rehetra ankehitriny. Ho tonga amin’ny tanjony dia ny fanalana ny filoha amin’ny toerany ve ny Solombavambahoakan’ny fanovana ?
Inona no hitranga raha tsy tanteraka izany ? Efa manana ny fialana balany sy ny fiarovan-tenany tsara homana ihany ve ny filoha sy ny ekipany izay toa tsy taitra firy ? Tsy hay izay haloaky ny ampitso, indrindra fa manoloana ity hoe hiavian’ny mpanelanelana avy any ivelany ity indray. Maro ny mpanao politika efa mipi-kelika eto amin’ny firenena. Zara aza misy ny hetsika notarihin’ny depiote hojapiana ho an’ny sasany, ka na ireo mpanao politika tsy misy apoaka sy efa bobongolon’ny volana sy ny taona tany aza niseho masoandro avokoa. Mirangorango ny mamba noana maro, izay mikasa ny hahazo seza. Io tokoa no tena tanjona amin’ny fanaovana politika eto amintsika amin’ny ankapobeny, ka toa misy mitady hamadika ny rasa any amin’ny tombontsoa mety hiraisan’ny mpanao politika, dia ny fizaran-tseza angamba. Aoka hazava, fa ny niaingan’ny raharaha anie, dia resaka lalàm-pifidianana nolaniana amboletra. Io ilay lalàna natao hamerezan-jo ny Malagasy, hanakanana kandida, hangalaram-bato,… ka ny tanjona izany dia ny hisian’ny fifidianana madio hahafahan’ny rehetra mandray anjara, sao ho diso fihevitra eo. Ekena tokoa fa tonga any amin’ny fialan’ny filoha ny fitakiana noho ny resaka ra mandriaka sy vono olona, ka raha ho tanteraka tokoa io, dia aoka hazava fa fanomanana ny fifidianana madio sy malalaka ao anatin’ny fotoana fohy no andrasana fa tsy fizarana seza ho an’ny mamba noana, ka sao dia hivaona eto indray isika e !
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.