Edito

Aok’izay ny krizy !


  • Alarobia 03 Jona 2015

Ny hisavorovoroan-kilatoana, hoy ny fomba fiteny izay..mahalaza tsara ny zava-misy eto amin’ny firenena izy io raha tsy hiresaka afa-tsy ny zava-nitranga teny amin’ny antenimieram-pirenena , herinandro lasa izay isika.

 

Niparitaka haingana be ny vaovao tamin’izay fa hoe niongana ny filohampirenena ary 121 ny depiote nifidy ilay famerezan-jo azy .Ankehitriny dia efa mangingina ny eny Tsimbazaza eny, tsy nitratrevatreva be intsony, raha toa ka manao tohivakana kosa ny fanambarana etsy sy eroa manohana an’ingahy filoha.Fa inona marina moa no tena fototry ny olana e ?Politika mantsy no resahana eto ka sarotra ihany ny inoana fa hoe noho ny tombotsoan’ny vahoaka no nampiray hevitra tampoka ireo depiote teny Tsimbazaza.Nivoaka ny resaka omaly fa ny fandrenesana ny fikasana handrava ny antenimieram-pirenena no nahasosotra ireo olom-boafidy ka nahatonga azy ireo hanongana ny filoha.Ao koa ny feo mandeha milaza fa politika avo lenta namandrihana ankolafy politika iray iny natao iny ; misy koa ny miteny fa misy firenena vahiny tao ambadik’ireny savorovoro ireny satria tsy tiana hilamina sy handroso mihitsy i Madagasikara.Na inona na inona anefa olana dia tsy maintsy karohana ny vahaolana fa raha izao kosa no mbola hiditra krizy vaovao dia ho zava-doza e.Ka na sinema io na tena izy, dia tsara ny mifampiresaka dia mifandamina fa tsy ny lalàna no arangaranga sy atao fitaovana hifamotehana eto !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT