Edito

Ao an-dapa ny mpamingana ?


  • Alarobia 25 Janoary 2012

Maro amin'ireo mpanohana ny filohan'ny tetezamita Andry Rajoelina no sosotra sy nimenomenona vantany vao nahafantatra fa nanaiky ny fanasan'ny Troikan'ny SADC hanatrika ny fivoriana any Pretoria izy.

 Ary na tsy nandeha mivantana aza izy tenany dia nandefa solontena roa, dia Atoa Norbert Lala Ratsirahonana, mpanolotsaina manokan'ny filohan'ny tetezamita sy Rtoa Annick Rajaona, talen'ny fifandraisana iraisam-pirenena ao amin'ny fiadidiana ny fitondrana tetezamita. Samy olona akaikin'i Andry Rajoelina ireo, ary samy malaza ho miseho katraka ao Ambohitsorohitra ao. Tsy ny mpanohitra no milaza izany fa ireo mpiasa sasany ao an-dapa ihany, ary na minisitra aza dia misy velon-taraina amin'ny fomba fiasan'ireo olona ireo. Manahy, araka izany, ireo mpomba ny filohan'ny tetezamita fa sao hanondrana any Pretoria any i Tonton Norbert sy Madama Annick ! Itsy voalohany moa dia efa malaza amin'ny fanonganana filoha sy fanandratana filoha vaovao, ilay faharoa kosa, na dia manampahaizana momba ny fitantanan-draharaham-panjakana aza, dia tsy mbola ampy traikefa amin'ny politika, ary ambaran'ny olona sasany fa diso mihanta loatra amin'Andriamatoa Filoha.

Ny mampanahy ny mpanaradia an-dRajoelina ihany koa dia ny hoe : manana ny AVI antokony anie Atoa Ratsirahonana e ! Azo antoka fa tsy maintsy hijery ny tombontsoan'ny antokony aloha izy, izay vao hieritreritra ny TGV sy Andry Rajoelina. Mipetraka eto ny fanontaniana hoe : fa nankaiza daholo ireo mpanao politika nanohana ny FAT hatramin'izay ? Efa tsy misy manampahaizana sy mpanao politika afa-tsy Ratsirahonana intsony ve azon’ny filohan'ny tetezamita hianteherana ? Mazava mantsy fa adihevitra politika no hatao any Afrika Atsimo, ka tsy vitan'ny teknisianina fotsiny. Mitombina ihany ve ny resaka tetsy sy teroa hatramin'izay hoe tena misy mamingana Atoa Rajoelina, ary ny mpiara-miasa aminy ao an-dapa ao ihany no manao izany ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT