Edito

Any izay ny vahoaka!


  • Alarobia 01 Martsa 2023

Tsaroantsika ny fomba fiteny na vazivazy zaritenany fanao teo aloha isaky ny tapaka ny herinaratra dia ilay hoe “any izay I Andry eee!”.

Dia samy mamisavisa teo ny tsirairay tamin’ireny fotoana ireny hoe iza ary izany Andry izany? Kopy izay kopy, hoy ny fitenin’ny tanora. Ankehitriny, izay hetsika politika miseho rehetra dia tsy misy tsy mampifantoka afa-tsy any amin’ny fifidianana… sisa. Na ireo lazaina fa hetsika ara-tsosialy, kizarazara vary! Manao trano ary! Mamatsika latabatry aty! Mamorovory vahoaka etsy sy eroa dia tsy misy ifotoran’ny resaka ankoatran’ny hoe fifidianana avokoa. Mipetraka izany eo ny fanontaniana hoe aorian’ireny fotoana mandalo ireny dia hanao ahoana ny tohin’ilay fiainam-bahoaka? Ho tonga isan’andro amin’ireny toerana nolalovany ireny foana ve ny filoham-pirenena hizara vary masaka isan’andro na hamita hatramin’ny farany ireo fotodrafitrasa nandraisany anjara mihitsy ny fanaovana azy? Ny fanontaniana toy ny hoe andraikitry ny filoham-pirenena ve ny mandalondalotra sy mamantsipantsika moa mbola handrasam-baliny hatrany iny miaraka amina fandresen-dahatra mafonja. Ankilabao tanteraka ny fiainam-bahoaka. Iza moa no tsy nilaza izany? Eto izany ny azo amintinana azy sisa dia ny hoe “Any izay ny vahoaka!”. “Any izay ny vahoaka eee!”, hoy angamba ireo mpanao politika sisa ao anatin’izao enim-bolana farany heverina fa hifaranan’ity fitondrana ity izao!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT