Edito

Any amin’ny SADC ny baolina


  • Zoma 18 Martsa 2011


Mihena an-toerana ireo mpitarika ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana. Misy ireo somary nipetrapetraka taorian’ny nivoahany ny fonja, eo ireo nandray ny toerany any am-ponja indray, ao ireo nisafidy ny hangina tsotra izao ary ao moa ireo namadika palitao tanteraka ka milaza indray izao fa mety ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana ataon’i Andry Rajoelina sy ireo mpanara-dia azy koa tsy maninona fa dia aleo miditra ao amin’ny fitondrana tetezamita. Azo ambara fa mandalo krizy ihany koa ity ankolafy ity tahaka ny vondrona politika rehetra eto amintsika. Na dia vao roa taona teo amin’ny fitantanana ny firenena aza ny FAT dia efa ampy traikefa tsara amin’ny paikady politika hisintonana ny mpanohitra azy hiara-kiasa aminy, na hanerena azy ireo ankolaka hanaiky ny drafitra misy.

Nanamafy ny Me Hanitra Razafimanantsoa izay mpisolovava an’i Mamy Rakotoarivelo fa toa misy endrika politika ilay fitsarana. Namerimberina izany ihany koa ireo mpitarika avy ao amin’ny Ankolafy 3 ary na ny olon-tsotra aza dia maro no mahita fa hafahafa ihany ny fandehan’ny raharaha. Fa nahoana moa no ao anatin’ny famaranana mihitsy ny fandrafetana ilay sori-dalana sy eo am-piandrasana ny tokony ho fihaonana eo amin’ny filohan’ny ankolafy no mipoitra ny resaka baomba sy ny filazana fa misy andian’olona mifofo ny ain’ny filohan’ny tetezamita ? Nambaran’ny fanadihadiana fa ny mpitarika ny ankolafy Ravalomanana no atidoha mikotrika izany, ka misy olona miaiky fa nanao ilay zavatra ary nahazo vola.

Nijoro anefa ny fianakavian’io tovolahy io fa tsy nanao izany izy fa noterena hanasonia taratasy mandetika an’i Mamy Rakotoarivelo. Avy eo dia tsy raikitra tampoka indray ny fandefasana ny raharaha teny amin’ny fitsarana, na dia nanamafy aza ny tao amin’ny DST fa tsy maintsy vitaina haingana io raharaha io, ary efa any am-pelatanan’ny mpitsara ny raharaha. Mifanindran-dalana amin’izany dia tafaverina amin’ny toerany ny jeneraly Camille Vital, ary nilaza fa hanangana governemanta izay hoeken’ny sehatra iraisam-pirenena ato anatin’ny 10 andro. Raha fomba fijery politika no handinihana izany rehetra izany dia mazava ny resaka manome tombony ny FAT ny tranga misy rehetra, ary ambara kosa fa mpanakorontana sy mpampihorohoro ny ankolafy telo, ka tsy mahagaga indray atsy ho atsy raha ho avy hanaparitaka ireo mivory ao amin’ny Magro ny Emmo Reg.

Mbola velom-panantenana anefa ny mpomba ny ankolafy telo fa tsy maintsy tafita ny tolona ary tsy ho lasa lavitra ny fanapahan-kevitr’ankolafy tokana misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, andrasan’izy ireo fatratra izay mety ho vokatry ny fitetezana ireo firenena mpikambana ao amin’ny SADC, indrindra fa ny Troïka ataon’Atoa Ravalomanana sy ireo delegasionina avy amin’ny ankolafy 3. Ny sabotsy sy ny alahady izao no hivory ireo firenena telo, dia i Zambia, Afrika Atsimo ary Mozambika mandrafitra ny Troïka ao amin’ny SADC izay misahana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ary ny politika, tsy maintsy hisy ny fanambarana hataon’izy ireo momba ny famahana ny krizy eto Madagasikara mandritra io fivoriana io, ka dia ho hita eo na hanome rariny ny fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina ny SADC na hitaky kosa ny tsy maintsy hanohizana ny dinika eo amin’ireo filohan’ny ankolafy mba hamaranana tanteraka ny fandrafetana ilay sori-dalana.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT