Dimy volana taorian’ny nanasoniavana azy dia manomboka mitombo isa ireo olona, vondron’olona, fikambanana ary antoko politika milaza fa tsy vahaolana amin’ny famahana ny krizy ny tondrozotra, ka ilaina indray ny hanatanterahana fifampidinihana iray goavana eo amin’ny samy Malagasy.
Ny faran’ny herinandro teo dia samy nilaza izany Atoa isany Tabera Randriamanantsoa, avy amin’ny ankolafy Zafy, mpitarika ireo federalista eto Antananarivo ary minisitry ny asam-panjakana. Nilaza ny tsy fahombiazan’ny tondrozotra amin’ny famahana ny krizy ihany koa ny Profesora Raymond Ranjeva izay miantso fampihavanana. Manomboka mipoitra ihany koa ny antso amin’ny tokony hihaonan’ireo filohan’ankolafy 4, izany hoe ireo filoham-pirenena nifandimby, telo voafidim-bahoaka miampy ny filohan’ny tetezamita. Maro no mahita fa tsy maintsy miainga amin’ny fifampiresahan’izy efatra mirahalahy ireo ny famahana ny krizy satria samy mahafantatra tsiambaratelo ireo, ary samy efa nitantana an’i Madagasikara sy mahalala tsara ny kipitsopitsony amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana.
Efa tena nandramana daholo tokoa mantsy ny paika sy tetika rehetra, saingy tsy nahomby na nahomby tamin’ny ampahany fotsiny ihany. Efa nisy mihitsy ny fivoriana nandraisan’izy 4 mirahalahy anjara, saingy tsy mbola nisy ny fifampiresahana mahitsy sy mivantana. Fivoriana tahaka ny nataon’ny mpitsara sy ny polisy teny amin’ny CCI Ivato ireny no tian-kambara. Henjana ny fifandirana, mifanipaka ny fomba fijery, samy manana ny alahelony, mety samy manao andolom-po ary misy mihitsy aza no mety tsy te handray akory ny tanan’ny sasany raha mifampiarahaba, saingy tokony ho samy hahay hanetry tena sy hampandefitra ny hambom-pony raha tena mpitondra sy mpitarika mitsinjo ny vahoaka marina. Tsy ho tantin’ny vahoaka raha mbola hitatra herintaona indray ny krizy tsy ahitam-bahaolana, ary tena ho zava-doza ho an’ny toekarem-pirenena izany. Ny fanirian’ny maro moa dia ny FFKM no ho mpanelanelana amin’izany fihaonan’ireo filoha 4 izany, ary mety hanampy azy ny SADC, misolo tena ny sehatra iraisam-pirenena. Antso farany angamba ity, fa raha tsy mety moa dia asa izay hiafaran’i Gasikara !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.