amin’ny fahatongavan-tsaina voizin’ireo heverina ho raiamandreny eto
amin’ny firenena mikasika ny tokony hiaraha-mijery ny vahaolana ahafahana manavotra ity firenena ity ao anatin’izao fahantràna miha lalina mianjady aminy izao. Ny mpitondra moa io manao litania fa mandeha ao anatin’izany rehetra izany ny fampandrosoana ilay firenena ary atokisan’ireo mpiara-miombon’antoka ny mpitondra matoa io tontosaina eto io ny fihaonana iraisampirenena toy izao iarahana amin’ny SADC izao. Na eo aza ny fihenan-danjan’ny vola Ariary izay efa mananika ny 6000 Ariary ankehitriny ny Euro, raha ny tarehimarika fanomen’ny tahirim-bola iraisampirenena isan’andro, ary hita mipaka amin’ny vidim-piainana na ny vidin’entana eny an-tsena moa izany, raha raisina amin’ny lafiny tsotra indrindra, dia amin’ny mpitondra izany dia tsy any no olana fa ny zava-dehibe izao dia hoe mandray ny fihaonan’ny SADC ilay firenena. Mitarika izany vondrona iraisampirenena izany ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny. Na miteraka tsy fandriampahalemana amin’ny endriny maro izany fahalafosan’ny vidim-piainana sy tsy fisian’asa mitombo eto amin’ny firenena izany dia ny fihaonan’ny SADC aloha izao no mampifantoka ny mpitondra satria tonga amin’ilay reharehan’ny filoham-pirenena indray hoe «Aty amintsika ny mason’izao tontolo izao!». Na izany na tsy izany dia eto izany no ho hita hoe hitondra inona ho an’izany atao hoe vahoaka malagasy izany na firenena malagasy izany ity fihaonana an-tampony iraisampirenena ireharehan’ny mpitondra amin’izao ity? Hivaly tsy ho ela eto izany ny ahiahin’ny mpandinika fiarahamonina na mpamakafaka raharaham-pirenena samihafa ny amin’ny hoe sao sanatria tsy hisy afa-tsy ireo mpitondra fanjakàna, mba tsy ilazàna hoe ny paosin’izy ireo, irery ihany no tena ahita tombontsoa ao anatin’izany fihaonana an-tampony izany?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.