Edito

Antsika ny safidy e !


  • Alarobia 10 Oktobra 2018

Mihazakazaka amin’ny fanaovana propagandy ny kandida vitsivitsy, ary manao izay faraheriny mihitsy, raha toa ka mbola mangingina ny sasany, ary iaraha-mahita ny mbola fisian’ireo miady varotra noho ny fahitany zavatra tsy milamina sy tsy mangarahara.

 

Mizara roa na telo eo ny fihetsika satria misy ireo tena tsy hita na miasa mangina any ambadika angamba any, fa ireo sokajiana ho kandida vaventy, toa ireo filoha efa nitondra aloha, dia mikofokofoka mafy. Tsy mitandro vola aman-karena, fa dia tena mampiseho fa mahavita azy ! Ny mampiavaka an’ireo fotsiny dia ny hoe misy ny manana ny azy azo tamin’ny mangarahara sy ny herim-po, ary ao ihany koa no efa nivarotra mialoha sy nahazo vodiondrim-barotra tamin’ny famarotana tanindrazana angamba, ka manao izay faraheriny mihitsy. Manomboka tazana sy tsikaritra mantsy ny resaka fizaram-bola, toy ny fanaon’iny kandida iray mbola tanora dia efa fanta-daza maneran-tany tamin’ny laza ratsiny iny. Mampihatra hatrany ny hoe donina tapany Ramalagasy handoa erany, ary tsaroana ny zava-nisy tany amin’ny 9 taona lasa tamin’ny resaka menaka mora, vary mora e ! kinanjo inona no teo fa ny an’ny Malagasy mpiray tanindrazana no nopotehina norobaina dia namidy mora tamin’ny Malagasy ihany, ka moa tsy toy izany no fomba fiady amin’izao ? Moa va tsy ny harem-pirenena nangonina tao anatin’ny 5 taona sy ampahany amin’ny vodiondrim-barotry ny famarotana tanindrazana no hanomezana kely hakana ny fom-bahoaka efa dotom-pahantrana ? Rehefa misy anefa ny mpamotika, dia mba misy ihany koa ny manana ny fanomezam-pahasoavana hanarina sy hanangana indray, araka ilay teny fanevan’ny kandida laharana faha-25 hoe : “mpanangana isika fa tsy mpandrava”.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT