Raha ny tena marina dia efa mitovitovy eo imason’ny olom-pirenena tsotra ireo filohan’ny ankolafy efatra dia Atoa isany Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana ary Andry Rajoelina, ka rariny sy hitsiny raha mahay mifampiresaka sy mifandamina izy ireo. Ary tsy fahadisoana mihitsy ny miezaka amin’ny fampihaonana azy ireo ho amin’ny fikaroham-bahaolana ivoahana amin’ny krizy. Azo ambara mantsy fa samy nitondra fanovana teto amin’ny firenena izy ireo, nisy koa anefa tamin’ny zavatra nataon’izy ireo sy ny fitondrana nandritra ny fotoana nitantanana ny firenena no tsy nahafaly ny olona ary mety tena nitarika savorovoro mihitsy aza. Resaka halako bika tsy tiako tarehy ny filazana fa tsy nahavita zavatra nivaingana mihitsy izy ireo tamin’ny Repoblika faharoa, toy ny nahavitana ny tohadranon’Andekaleka sy ny lalam-pirenena faharoa, ny oniversite any amin’ny Faritany ...
Ny Pr Zafy Albert no rain’ny demokrasia ka nampiroborobo ny fahafahana maneho hevitra ary nampivelatra ny haino aman-jery tsy miankina sy nanomboka nametraka ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nalaza tamin’ny fanamboaran-dalana sy ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra i Marc Ravalomanana, ary mbola tena mamy hoditra amin’ny any ambanivolo rehetra any. Te hanohy ny asan’i Zafy Albert i Andry Rajoelina sahy nilaza ihany koa ny tsy nety nataon’ny mpitondra, hanamafy ny fanajana ny demokrasia saingy mivily lalana izany. Niaraha-nahita koa anefa fa maro ny zavatra tsy nety nataon’izy ireo, ka noho izany indrindra no hitakian’ny maro ny hihaonana sy hifandaminan’izy efatra mirahalahy ireo. Sarotra tokoa mantsy ny mino fa hilamina ny toe-draharaha eto amin’ny firenena raha toa ka tsy mbola mifanaraka ny filohan’ireo ankolafy efatra, izay eritreretina fa goavana sy manana ny toerany amin’ny fiainana politika eto Madagasikara.
Na dia maro aza ny mpanatsatso sy mpanisy sira, dia mazava ny resaka fa any amin’ireo filoha efatra ireo no misy ny ampahany betsaka amin’ny vahaolana. Samy manana ny toerany ireo ary samy manana ny mpanohana azy ka sarotra ny hanilika ny iray amin’izy ireo tampotampoka eo, na inona na inona mety ho anton’izany. Raha nahavita tena irery i Marc Ravalomanana sy Didier Ratsiraka dia efa ela no tafaverina teto. Raha natanjaka tsy nila fanampiana ny profesora Zafy Albert dia efa tamin’ny 2003 no nahavita nanongana an’i Marc Ravalomanana. Raha tena tian’ny vahoaka maro an’isa marina i Andry Rajoelina dia tsy nanao ny politikan’ny mandroso mihemotra lava toy ny fanaony io ary efa tokony ho nahavita fifidianana tsy latsaky ny telo. Fa matoa mikatso ny raharaham-pirenena dia misy fifampiresahana tsy maintsy atao ao ary misy fifanampiana takiana amin’ny vondron-kery tsirairay avy satria tsy an’olon-tokana na an’ny ankolafy iray i Madagasikara fa antsika jiaby.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.