Edito

Antsahamamy Ankatso Nahazo toeram-pitsaboana vaovao


  • Alakamisy 19 Aprily 2018

Efa ela no niandrandra ny mba hanana tobim-pitsaboana mahaleo tena ho azy ireo mponina eny Antsahamamy Ankatso, Boriborintany faharoa. Voatery mamonjy any amin’ny toeran-kafa hatrany mantsy izy ireo rehefa manana olana,

 indrindra fa rehefa hitondra vehivavy hiteraka amin’ny alina.  Voavaha tanteraka ny olana ankehitriny. Notokanana omaly tamim-pomba ôfisialy mantsy ilay CSB II ao an-toerana, ahitana efitranon-tsekoly miisa fito,  vokatry ny tetikasan’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo miasa sy monina eto amintsika, tafiditra ao anatin’ny fahatsiarovana ny andro iraisam-pirenena ho an’i Nelson Mandela hanomezana fahafahana ho an’ny olon-drehetra maneran-tany.  Nanohana akaiky ny tetikasa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Oniverisiten’Antananarivo ary ny vondrona Axian,   amin’ny alalan’ny fondation Telma, izay manana tanjona hanatsarana hatrany ny fahasalaman’ny mponina sy fahatomombanana ara-tsakafo. Ny  Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka moa no hanome ny mpitsabo sy ny mpampivelona hiasa ao amin’ity CSB II iray vaovao ity, raha noraisin’ny Fondation Telma an-tànana kosa ny famatsiana ara-pitaovana, toy ny fandriana, ny latabatra  fiterahana ho an’ny vehivavy…Ny Oniverisiten’Antananarivo kosa no handray an-tànana ny fandaniana ny rano sy ny jiro hampiasaina ao, ny fitantanana ny ivon-toerana ary ny fanofanana ireo olona tsara sitrapo. Anisan’ny hahazo tombontsoa amin’izao tetikasa izao moa ireo mponina ao Ambolokandrina, Tsiadana ary Andohanimandroseza, indrindra fa ireo tena sahirana ara-pivelomana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT