Edito

Antony manokana


  • Alatsinainy 25 Jolay 2011

Hivalona afaka herinandro ny volana aogositra, fa tsy hita ihany izay vahaolana hivoahana amin’ny krizy.

 Tamin’ny faran’ny volana aprily anefa dia nalaza be fa any amin’ny faran’ny volana mey na amin’ny fiandohan’ny volana jona no atao ny sonia amin’ilay sori-dalana ka dia hivaona hatreo ny krizy fa ajoro amin’izay ny tetezamita tena izy iarahan’ny rehetra. Mialoha izay dia efa nanova governemanta ny FAT ny volana martsa ka nibosesika niditra tao ireo zanak’i Dada leon’ny danik’andro teny amin’ny Magro fa mba te hahazo birao mangatsiatsiaka sy milamina amin’izay. Efa hatramin’ny novambra 2010 ihany koa no nambara fa manohy ny asany amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny CENI, mibaribary anefa izao fa kely ny asa vitan’ity vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ity no sady tsy nahafa-po ka niditra an-tsehatra ny fitondrana foibe nanampy tosika, koa maro no velona ahiahy fa tsy mahaleotena izany intsony ny CENI fa anarana fotsiny sisa.

Milaza fa mitady mpiara-miasa etsy sy eroa ary mandresy lahatra ny any ivelany mba tsy hanasazy azy intsony ny FAT kanefa tsy hita ihany, ny Frantsay no mamokovoko miaro sy misolovava azy fa ny ankoatr’izay dia mijanona ho kabary fampanantenana fotsiny ny an’ireo firenen-kafa. Noho ny antony manokana dia nandeha tany Paris renivohitra Frantsay andro vitsivitsy Atoa Andry Nirina Rajoelina ka tafahaona tamin’i Abdou Diouf, Sekretera jeneralin’ny OIF ka nahazo toky tany fa handefa manampahaizana eto amintsika amin’ny fikarakarana fifidianana, hono, ity fikambanana ity mba hanampy antsika. Noho ny antony manokana dia ny OIF irery no fikambanana iraisam-pirenena sahy manampy ny FAT.

Tsy fantatra mazava ny fandaharam-potoana sasany natrehan’ny filohan’ny FAT tany Paris, tsiliantsofina no nandrenesana fa toa hoe nihaona tamin’ny amiraly Ratsiraka, hono, i Andry Rajoelina, saingy tsy fantatra kosa ny votoatin’ny fihaonana sy ny daty ary ny toerana nanaovana azy. Ny tsaroana fotsiny dia nanampy an’i Andry Rajoelina nandrodana an’i Marc Ravalomanana i Deba ary efa nametraka ny olony sasany ao anatin’zao tetezamita izao no sady efa manomana sahady ny fanentanana ireo kamarady Arema rehetra, satria ho avy ny ...fifidianana. Noho ny antony manokana angamba no mahatonga izany rehetra izany, hoy ny mpanara-baovao politika ary tsy tongatonga ho azy fa misy dikany ara-politika goavana ary tokony hampieritreritra ny ankolafy rehetra amin’ny fomba famindrany sy ny paikady ampiasainy satria politika no atao ary mety misimisy ihany ireo fiovana tampoka eny am-panidinana eny. Mety ho misy antony manokana koa angamba matoa nangingina ingahy Ravalomanana ary tsy dia re feo firy ny Pr Zafy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT