Edito

Antomotra ny farany e !


  • Alarobia 17 Janoary 2018

Mikoropaka sy miady saina ny fanjakana Rajaonarimampianina amin’ny kapoka isan-karazany mihatra aminy.


 Ny vahoaka koa etsy an-daniny, efa mahazo fanairana isan-karazany manoloana ny fahantrana sy fahasahiranana lalina mahazo azy, saingy tsy hita izay vahaolan’ny mpitondra fa ny miala bala sy mampandry adrisa no tena maha mailaka azy. Tsy milamina akory ny takaitran’ny loza voajanahary, dia miseho indray ny loza manaraka dia ity ampamoaka goavana nataona teratany Frantsay ity. Ny ho avy tsy hay, saingy inoana fa mbola maro no hipoaka ato ho ato, ary mety ho andro vitsy na ora no isaina mikasika ny afera maloto ihany. Ny raharaha politika tsy milamina, kanefa efa antomotra ihany koa ity ny fifidianana. Tsy hita izay zavatra milamina fa dia mandeha jonjorombona fotsiny sisa, ka arakaraka izay miseho no fihetsika ataon’ny mpitondra. Karazan’ny efa manisa ny fotoana hijanonana eo, saingy mbola minia be di-doha sy miana-kendry, ary tsy manaiky ho diso fa vao mainka mihantsy ady, raha dinihina tamin’ny tenin’ny minisitra iray omaly. Toa arakaraka ny vava be atao anefa no vao mainka mampiseho ny loza isan-karazany, izay efa famaizana ity fitondrana sokajian’ny maro ho efa an-dalam-pialana aina ity. Tsy tsapan’ny fitondrana ve fa efa mijoro ho fahavalony sy mampitandrina, ary mampiomana ny fara androny ny zava-misy. Ekena fa mbola mihevi-tena ho mafy sy mahery, saingy aleo dia tsorina hoe mbola misy ny mahery noho ny mahery, ka tsy tsara loatra ny manao tsinontsinona ny hafa. Efa manomboka miseho sy mibaribary izany, indrindra taorian’ny tsy nihenoan’iny firenena matanjaka manana fatorana ara-tantara amin’i Madagasikara ny fitondrana manoloana iny raharaha teratany vahiny mampisahotaka azy mianakavy iny. Tsy sanatria manozona fa toa efa akaiky ny farany ho azy ireo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT