Edito

Antitra mampiady kalo


  • Alatsinainy 11 Oktobra 2010


Manomboka miasa mangina any amin’ireo Fokontany eto an-drenivohitra tato anatin’ny herinandro izao ny komity manokana mikarakara ny fitsenana ny amiraly Didier Ratsiraka. Azo hanaporofoana izany fa tsy siosion-dresaka na tsaho, fa tena zava-marina ny fodiana an-tanindrazan’ity filoha teo aloha ity. Nifoha tamin’ny torimasony indray ireo kamarady Arema tena mafana fo sy tsy namadibadika palitao fa nino sy nanantena ny fiverenan’ny Amiraly mena. Nanambara moa ity farany fa manana vahaolana roa na telo hivoahan’i Madagasikara amin’izao krizy izao, ka rehefa tonga eto an-tanindrazana izy manazava izany vahaolana izany. Eo amin’ny lafiny politika ihany dia mahita ny maro fa ratsy ho an’i Pierrot Rajaonarivelo ity fiverenan’i Didier Ratsiraka ity. Mety hikorontana tanteraka mantsy ny fototra nanorenany ny antoko MDM, izay ahitana mpitolona Arema misimisy ihany, rehefa tena tonga ny tompon-toerana, satria hatramin’izao aloha dia mbola matoky an’i Deba ny tena mpitolona Arema. Ireo mpikaramanady no mivadi-dela isaky ny mihetsika.

Hita tamin’ny zava-nitranga tato anatin’ny krizy fa mbola to teny amin’ny olony ny filoha Ratsiraka, ary vao mainka hanamafy ny fahefany ny fiverenany eto Madagasikara. Hahita maso ny zava-misy amin’izay mantsy izy fa tsy hionona amin’ny tatitra an-telefaonina fotsiny. Tsy hilatsaka hofidiana intsony ny amiraly, saingy fantatra fa efa manana olona mahatoky hatolotra amin’izany fifidianana izany. Tsy i Pierrot io olona io. Efa hatramin’ny 2001 mantsy no tsy nifanara-tsaina tsara intsony izy mirahalahy mianaka ireto noho ny eritrerit’i Pierrot Rajaonarivelo hitondra samirery ny Arema sy hilatsaka hofidiana, kanefa tsy nahazo ny tso-drano tamin’ny Amiraly akory. Niaraha-nahalala ny fisian’ireo kaontenera tao Toamasina feno kaskety sy T-shirt ary saina kely misy soratra hoe fidio Pierrot Rajaonarivelo tamin’ny 2001.

Tapaka tanteraka nanomboka teo ny fifandraisana tamin’i Didier Ratsiraka sy Pierrot Rajaonarivelo. Mbola niezaka ny hilomano teo amin’ny tontolo politika ity farany, saingy tsy nety tafavoaka koa dia nialokaloka tany Frantsa. Niezaka nitarika olona izy avy eo ary nanomana ny fiverenany ny taona 2006. Nampiasainy tamin’izany ny fahefana ananany amin’ny maha sekretera nasionalin’ny antoko Arema azy saingy niseho lany foana ny adin’ny samy mpitarika tao anatin’ity antoko ity ka nanasarotra ny paikadin’i Pierrot Rajaonarivelo izany. Nanangana ny vovonana MDM moa izy ary efa nanomboka ny fitsidiham-paritra hitsapana ny halalin’ny rano, raha toa ka hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ihany. Mety hanimba tanteraka izany drafitra izany anefa ny fiverenan’i Deba an-tanindrazana satria “antitra mampiady kalo ka ny antitra antitra ihany” !

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT