Antenimiera fiheren-jiolahy ?

Vita tanteraka ny fifidianana solombavambahoaka,


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

ary efa nakombona tamin’ny alalan’ny didy tsy azo ivalozana ny tsy fahatomombanana sy endrika kilalao maloto samihafa.

Manaiky tsy sazoka izany ireo izay mahatsapa ho tratry ny daka tsy hita maso tao anatin’iny fifidianana iny, fa manomana ny 5 taona manaraka indray raha mbola sahy. Misy aza ireo mety mbola ho tratry ny henjika tsy an-kisotro rano raha izao no mitohy, ka hifoha ireo dosie samihafa ho an’ireo tsy lany sasany, raha toa ka mianan-kendry hidingin-drambo. Misy ny efa mialokaloka any am-ponja izay ahiana ho noho ny tahotra ara-politikan’ny hafa, kanefa dia mbola nosafidiam-bahoaka. Tao ny ahiana ho noresena ankitsirano ka raha vao mimenomenona dia mety hiainga ny fitakian-ketra mihoampampana na « redressement fiscal », fanagadrana, fampihorohoroana,… Dia manongo tena sy mitsiriritra hatrany isika mahita ny an’ny firenen-kafa toy ny tandrefana sy ireo hafa, izay ekena fa tsy tonga lafatra, ary misy ny politika maloto indraindray, saingy tsy mba tahaka ny aty amintsika. Efa lasa lavitra ny olona, raha tarafina amin’io miseho any Frantsa io ! Tena malalaka ny fanehoan-kevitra any anaty latsa-bato fa tsy afa-po amin’ny fitantanan’ny mpitondra ny vahoaka, dia iaraha-mahita ny vokatra. Ny azy ny takariva dia efa fantatra ny vokatra fa ny antsika manao ahoana ? Tena tsy fahaizana sa tsy finiavana sy mbola te hilalao ny politika lomorona sy nilaozan’ny toetr’andro. Ny vahiny manaiky ny fahalemeny, fa ny antsika teren-ko masaka toy ny voalobo-jaza ka ny efa aloam-bahoaka terena ho mamim-bahoaka, ny mpanao politika maimbo kolikoly sy halatra ary fambotriana firenena diovina ao anaty afo fandiovan’ny fifidianana dia milamina ny 5 taona,… Ny antenimierampirenena lasa fieren’ny jiolahy politika. Fifanarontsaronana ny tsy mety sy fahombiazan’ny fitondrana sy ny afera maloto no betsaka, ka izay ve ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT