Edito

Ankolafy ...tsy 3 ?


  • Zoma 28 Oktobra 2011

Mampanontany tena ny maro ankehitriny ny mbola fisian’ny Ankolafy telo na tsia.

 Raha tsorina, mbola miara-miasa tsara sy mitovy tadin-dokanga ve ny ankolafy Ratsiraka, Ravalomanana ary Zafy Albert ? Maro mantsy no nahatsikaritra fa toa niova ny endri-piaraha-miasa eo amin’ny telo tonta hatramin’ny nidiran’ny Troika an-tsehatra tamin’ny fanelanelanana. Nandefa solontena tamin’ireo fihaonana nifanesy ny ankolafy Zafy sy Ravalomanana, saingy matetika no tsy tazana teny amin’ny Carlton sy Le Paon d’Or ny ankolafy Ratsiraka. Rehefa nanontaniana moa izy ireo dia nilaza fa tsy nahazo taratasy fanasana tamin’ny fomba ofisialy. Nanatrika ilay lanonana fanaovan-tsonia tamin’ny 17 septambra kosa anefa ny delegasionin’ny ankolafy Ratsiraka notarihan-dRtoa Ramisandrazana, saingy tsy nanasonia ilay sori-dalana.

Taorian’izay dia tsy afaka nanolotra kandida ho praiminisitra ity ankolafy ity. Nitohy ihany ny resaka ary farany teo nanambara tamin’ny mpanao gazety Atoa Tantely Andrianarivo fa tsy misy asa fanamboarana izany any Ambodiatafana–Toamasina, izay misy ny trano fonenan’ny amiraly Ratsiraka, ary tsy mbola nahazo valin-teny avy amin’ny FAT ihany koa momba ny fikarakarana ny trano hamantanan’ity filoha teo aloa ity eto an-drenivohitra izy ireo. Noho izany, mety tsy mbola ho amin’ity taona ity ny fodian’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka eto Madagasikara. Ity farany anefa dia nilaza fa eto Madagasikara no hilaza ny heviny momba ilay sori-dalana, ary aorian’izay vao mety hanasonia. Mety noho izany antony rehera izany angamba, araka ny fandinihan’ny mpanara-baovao politika azy no nahatonga an’i Marius Fransman nitodi-doha avy hatrany any Frantsa mba hihaona amin’i Deba. Ny ankolafy Zafy Albert indray dia manomboka hafahafa ihany koa ny fahitan’ny maro ny fihetsiny.

Teo aloha ilay Dr Manoro Régis nazoto nivory teny Ambohitsorohitra na dia tsy nahazo tso-drano tamin’ny ankolafy misy azy aza. Taty aoriana dia nambara indray fa karazana vavolombelona nanatri-maso fotsiny izy. Tsy nety nanolotra anarana praiminisitra indray ity ankolafy ity avy eo na dia nanasonia ilay sori-dalana aza. Nisy ny fihaonan’ny profesora Zafy tamin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo sy Monja Roindefo ary ny solontenan’ny ankolafy Ravalomanana. Dia iny fa nanolotra anarana ny ankolafy Zafy, ka dia Atoa Omer Beriziky izay olona akaiky ny ankolafy Rajoelina no anarana narosony. Inona no ao ambadik’izany rehetra izany ? Paikady ve sa sangodim-panina politika ? Sa efa tena samy mitady seza amin’izay izao fa tsy misy tolona iarahana izany intsony ? Ny ankolafy Ravalomanana moa dia milaza ho manaraka an-tsakany sy an-davany ny sori-dalana, ary manizingizina fa avy amin’izy ireo ny olona tokony hotendrena praiminisitra ary ministera 7 no tokony ho azony. Efa samy maka ho azy amin’izay ve ny Ankolafy 3 ? Tsy tokony hohadinoina tokoa mantsy fa mpanohitra mavaivay ny fitondrana Ravalomanana izany mpiara-dia amin’i Didier Ratsiraka sy ny Profesora Zafy izany ary nanohana an’i Andry Rajoelina tamin’ny 2008 sy 2009 ka nanamora ny firodanan’ny fitondrana. Amin’ny fanaovana politika rahateo, araka ny fitenin’ny amiraly Ratsiraka azy dia tsy misy izany mpinamana na mpifahavalo mandrakizay izany fa miovaova araka ny vanim-potoana eny ny fiarahana. Ho hita eo ihany ny tena marina aorian’ny fanendrena ny praiminisitra sy ny fananganana ny governemanta.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT