Edito

Anio ampiako, rahampitso asiako !


  • Talata 22 Martsa 2011


Tsy nijanona tamin’ny resaka ambony latabatra sy ny tsangan-tanana tao anaty efitrano fivoriana intsony ny fanafihana an’i Libia fa tena efa raikitra mihitsy. Nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fanafihan’ny tafika iraisam-pirenena ireo ambara fa toerana hitobian’ny miaramila mbola miandany amin’ny filoha libiana, Mouammar Kadhafi. Daroka baomba amin’ny alalan’ny fiaramanidina mpiady sy tifitra balafomanga ataon’ny sambo mpiady sy sambo mpisitrika aloha no natao hatreto fa tsy mbola nisy ny fidirana an-tanety nataon’ny miaramila. Ny Frantsay sy ny Amerikanina ary ny Italianina no tena lohalaharana amin’izao fanafihana izao, fa eo ihany koa ny firenena hafa tahaka an’i Norvezy sy Danemark. eEa ho 200 mahery ny balafomanga nadaboka tany Libia tato anatin’ny telo andro izao, ary mahatratra 50 eo ho eo ireo baomba natifitr’ireo fiaramanidina mpiady amerikanina sy italianina.

Niainga ny alahady teo tany Frantsa ary nihazo ny fari-dranomasin’i Libia ny sambo mpiady goavana Frantsay Charles De Gaulle izay sady mitondra miaramila no mitondra fiaramanidina sy helikoptera mpiady. Mandray anjara mavitrika amin’ity ambara fa fanafahana ny vahoaka Libianina amin’ny jadon’i Kadhafi ity ny Frantsay, ka an’arivony ireo vatamiaramila nohetsehana ary amina miliara euros ny vola nomanina fa holaniana ary navoaka ireo fitaovam-piadiana tena raitra. Nivadika tanteraka izany ny rasa, satria roa taona lasa izay, tamin’ny 2009 dia noraisina tahaka ny mpanjaka, vahiny manan-kaja tany Frantsa ny kolonely Kadhafi. Nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy nandritra ny herinandro tany ny tenany sy ny fianakaviany ary ireo mpiara-miasa akaiky aminy.

Maro no tohina tamin’izany tranga izany ary nanontany tena hoe : nahoana no mandray filoha mpanao didy jadona sy tsy mampihatra ny demokrasia tahaka izany i Frantsa ? Nisy dikany politika sy toekarena goavana anefa iny fitsidihana nanombohan’ny famitranam-pihavanana teo amin’i Libia sy Frantsa tamin’ny 2009 iny, satria manomboka manahirana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny fividianana ny solika, ka nanambitamby an’i Kadhafi ny Frantsay mba hivarotra solika mora aminy. Nandeha ihany koa ny feo tamin’izany fa nikasa ny hivarotra fiaramanidina Airbus tamin’ny Libianina ny Frantsay, ary ankoatr’izay dia voalaza fa nisy nifandraisany tamin’ilay raharahan’ireo mpitsabo mpanampy bolgara voafonja tany Libia kanefa navotsotra rehetra nifampiraharaha tany an-toerana Rtoa Cécilia Sarkozy, vadin’ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozy teo aloha. Efa tantara anefa sisa izany rehetra izany ankehitriny satria i Frantsa mihitsy no mitarika ny tafika iraisam-pirenena amin’ny fanafihana an’i Libia, izay miha mazava ny resaka amin’izao fotoana fa tena ny fanonganana ny kolonely Kadhafi mihitsy no tanjon’ny Opération «L’aube de l’Odyssée».

Tany amin’ny 20 taona lasa tany dia maro tamin’ireo firenena matanjaka no nifampiraharaha tsara mihitsy tamin’i Libia ary nivarotra fitaovam-piadiana tany mihitsy aza, lasa fahavalo iraisam-pirenena anefa izao ny mpitondra Libianina ary manomboka rotiky ny ady ny ankamaroan’ireo tanàn-dehibe any an-toerana. Sarotra sady manahirana ny fifandraisana iraisam-pirenena, ary mila fahamailona ny fifandraisana sy fifanakalozana amin’ireo firenena matanjaka, satria anio ianao mety hampiany ary rahampitso darohan’ny baomba. Mety ho ratsy ihany ny fiafaran’ity tantara ity satria manizingizina ny kolonely Kadhafi fa haharitra ny ady ary hozaraina fitaovam-piadiana ny Libianina an-tapitrisany hanohitra ny mpanani-bohitra sy ny mpanjanatany.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT