Edito

Angano sy arira


  • Sabotsy 01 Aprily 2017

Fihetseham-po marolafy, ao ny fitserana, ao anefa ny fahasorenana.

Ankavitsiana ihany angamba, raha misy, ny faharesen-dahatra fa mbola miaina ao anatin’izany kolontsain’ny fihavanana sy firaisankina tsy misy tomika izany tokoa isika amin’izao fotoana izao. Ireo no azo antoka fa iainan’ireo malagasy izay mahita ny fanentanana ezahan’ny fitondram-panjakana haely amin’ny haino aman-jery izay mbola mampiseho amin’ny endrika fitantarana fa notandrovantsika toy ny anakandriamaso ireo soatoavina ireo fahizany ary dia mbola olon’izany foana isika hatramin’izao. Toa ezahana takonana foana fa efa nampiharan’ny mpanjanaka ny politikany dia ny zarazarao hanjakana izay tsy mbola maty fa mainka aza miitatra bebe kokoa amin’ny sehatra hafa izay hanafihan’ireo firenena maro ny harentsika izany amin’izao fotoana fa isika no variana manao ady mangatsiaka an-trano eto. Toy ny angano sy arira sisa ity fahenoana fa olon’ny fihavanana isika, indrisy !

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT