Samy mandeha samy mitady, samy manana ny manahirana azy,
samy manana ny laka hitsinjovany ka toa samy manana ny zavatra hitany raha tarafina amin’ny zava-misy sy ny fomba firesaky ny mpanao politika, indrindra ny eo anivon’ny fitondrana. Ny olom-pirenena toa miha rendrika sy miha osa noho ny fahantrana sy ny fahasahirana, ny mpitondra miedinedina amin’izato fahefana azo, izay toa tsy voninahitra fa henatra, raha tarafina amin’ny vokatra nentina ho an’ny vahoaka. Nampiasaina sy noventesina indrindra tao anatin’ny propagandy farany teo ilay hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso » fa moa mandroso mankaiza marina isika ? Mandroso any anaty hantsan’ny fahantrana sy ny fahasahiranana ? Mandroso any anaty kizon’ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy ara-toekarena fa indrindra ny ara-tsosialy ? Tsy finiavana hanakiana, tsy faniriana ratsy ho an’ny firenena,… fa tena betsaka ny olona no toa kivy sy ketraka ambony ihany hoe : mbola misy azo antenaina ve amin’izao fitantanana izao ? Sao mba lasa « Madagasikara tsy maintsy mijotso » ilay izy ? Tsy resaka tsy fitiavana olona na fankahalana vondron’olona, fa ny tena zava-doza eto amin’ny firenena dia ny mbola finiavana hikipy sy hanampi-tsofina eo anatrehan’ny anjomaran’ny vahoaka. Ireny miharihary amin’ny filaharam-be etsy sy eroa ireny fa tapi-dalan-kaleha ny olona, tsy an’asa, tsy misy harapaka,… ka zara aza misy manolotolotra etsy sy eroa. Zary lasa tezaina ho fiarahamonina androrosy rahateo isika, ka misy ny sokajin’olona miandry tolorana sy miandry mahazo. Tsara ny manome noho ny mandray, fa moa tena hahafahany mivoatra ve ny zavatra hanazarana azy ? Mbola adihevitra hafa ny mety ho lonilonim-piarahamonina sy ny fahalainan’ny olom-pirenena sasany handray andraikitra amin’ny fandoavana hetra satria izy mangana miasa, mamelona mivantana na ankolaka ny Fanjakana, kanefa ny hafa no miandry taty reraka fotsiny. Mbola mila ezaka, mila fisokafan’ny saina amam-panahy, mila fahadiovam-po,… fa tsy mihidy amin’ny rindrina efatra hatrany ka hinia hikipy lava eo anatrehan’ny zavatra efa hita fa tsy mety.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.