Edito

Andron’ny haizina


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

« Ireo Manisotra no mahatonga anay tsy nifandray ara-barotra taminao mpanjak’Antananarivo », hoy ilay mpivarotra frantsay Nicolas Mayeur tamin’Andrianamboatsimarofy, 240 taona lasa izay. « Mbola zaza aho tamin’izany ka tsy voafehiko ireo oloko ireo »,

 hoy ny valin-tenin’ilay mpanjaka. Ny Manisotra dia mpiandry Andriana saingy mampivady ny adidiny amin’ny asan-jiolahy. 20 taona tao aoriana dia noravan’Andrianampoinimerina ireo andiana Manisotra ireo ary dia nilamina ny tany. Toa miverina indray io toe-javatra io ankehitriny na dia tsy Manisotra intsony aza izy ireo. Iza moa ny manana sy mitondra fiadiana mahery vaika ? Tsy maintsy ny efa matihanina amin’izany. Ny Malagasy dia olona tsy tia tabataba. Raha vao mipoaka ny basy dia efa mitsoaka izy ary azo ambara tsotra fa tsy mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny asa miaramila. Ny hany mahafinaritra ny sasany angamba dia ny manao matso rehefa Asaramanitra fa ny miady tsy be mpankasitraka. Eo ihany koa ilay fomba hafahafa mividy ny fanamiana hanaovana. Vitsy dia vitsy ireo mitady hanao io asa io raha tsy “service militaire” fotsiny. Na eo aza ny tsy fisian’ny asa, aleon’ny maro mirenireny toy izay hiditra an-dakazerina. Rehefa tsy ampy ny eo am-pelatanana dia aleon’ny Malagasy sasany mangataka na manao hala-borery fa ny fanafihana mitam-piadiana dia fantatra fa izay manana sy mitondra basy no manao azy. Ekena fa misy mampanofa basy amin’ireny notendren’ny lalàna hitana fiadiana ireny. Tahaka ny tamin’ny andron’ny fanjakana madinika fehizay teto Madagasikara dia mikarama an’ady amin’ireo andriana ny Manisotra sy ireo mitovy aminy koa dia manani-bohitra sy mandrava efa ary ny olona sy ny fananany dia babona ary amidy.

Tsy nisy niova izany ny teto amintsika fa dia mitohy ny taloha, miverina ny andron’ny haizina. Manararaotra ny fahalemen’ny vahoaka ny olom-bitsy hanaovana izay iadanan’ny kibony amin’ny fanafihana sy fangalana olona an-keriny. Manangom-bola ny sasany rehefa akaiky ny fifidianana. Ao ny hanaovana propagandy fa ao ihany koa ny hanomanana ny fitsoahana raha milentika ny sambo.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT