Edito

Andriantsitohaina Jean Charles Natao veloma farany amin’ny maha olomangam-pirenena azy


  • Alakamisy 05 Jolay 2018

Azo ambara fa tena fandevenana olomangam-pirenena tokoa no natao tamin’ny nofo mangatsiakan’Andriantsitohaina Jean Charles omaly alarobia 4 jolay 2018.

Feno voninahitra tokoa araka ny tenin’ny mpikabary Itompokolahy fa tena maro mpadevina ary nomen’ny mpitsoka mozikan’ny tafika voninhitra ary enin-kaja koa ny fianakaviany fa maro mpanotrona. Saika tazana teny amin’ny fiangonana Fjkm tranovato  Faravohitra nanaovana fanompoam-pivavahana nanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy fampaherezana ny fianakaviana avokoa na ny solontenam-panjakana na solontenam-piangonana Fjkm nosoloin’ny filohan’ny komity faha-50 taona mivady tena na koa ireo mpandraharaha vahiny sy teratany nifanerasera tamin’ny maty fahavelony ary koa mpanao politika sy havana aman-tsakaiza maro. Navoitran’ny mpitandrina nitondra ny tenin’Andriamanitra, Ravalinomenjanahary Lalao Emmanuel, tamin’izany ny ady tsara nataon’Itompokolahy fahavelony izay notsongaina tao amin’ny II Tim 4 :7 nofinidin’ny fianakaviana natao tao amin’ny taratasy fampandrenesana manao hoe « Efa niady ny ady tsara aho ; nahatanteraka ny fihazakazahako aho ; nitahiry ny finoana aho ; » dia ny ady fijerena fanohanana manokana ny mpiara-belona nataon’Itompokolahy ka niangaviany fatratra mba hotahafin’ny mpitondra firenena ankehitriny sy ny ho avy eto amintsika koa. Izahay eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana dia mbola mamerina etoana ny fankaherezana  tanteraka ny fianakavian’Andriantsitohaina Jean Charles.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT