Mbola ao anatin’ny fanaraha-maso sy ny tomban’ezaka i Madagasikara raha ny fifandraisana amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany no resahana.
Araha-maso i Madagasikara ato anatin’ny 18 volana, hoy ny banky iraisam-pirenena ka miankina amin’ny fiverenan’ny fitokisan’ny mpiara-miombon’antoka no hampitombo ny famatsiam-bola ho azo. An-kilan’izay, mandeha ihany ny fanomezan-toky fa hisy vola omena ka ampiasaina ao anatin’ny 5 taona ary hisy koa ny fanampiana maika. Raha ireny tarehimarika ireny atambatra no azon’i Madagasikara tokoa dia mety hivaha haingana ihany ny fahasahiranana. Raha ny kabarin’ny zokiolona avy amin’ireo masoivoho vahiny teny Iavoloha tamin’ny 8 janoary dia toa nofinofy ihany aloha izany hatreto. Mibaribary fa mila fotoana ela i Madagasikara vao hahafeno ireo fepetra napetraky ny mpamatsy vola, ka hiandry an’izay ve vao hiasa ? Tsy sanatria filam-boatsiary fa asan’ny mpitondra ny mikaroka vahaolana hafa rehefa hita fa ela fidona ny vahaolana iray. Raha io fepetra apetraky ny banky iraisam-pirenena sy ny vondrona eoropeanina io no iandrasana ny fivoahan’ny famatsiam-bola dia ho tanteraka amintsika ila fomba fiteny malaza hoe : « andraso eo i Paoly ! ».
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.