Edito

Andrasana hanaja tena


  • Alarobia 02 Mey 2018

Inona intsony moa izany no maha filoham-pirenena na maha praiminisitra sy izay rehetra mitantana ity firenena ity ?


 Ny eo ambany fahefana rehetra efa mifaninana manda baiko daholo ary na ilay fisondrotan-karama 8% hamonoana afo faramparany aza efa hihomehezan’ireo tambazana handray azy fotsiny, raha ny porofo hita maso tamin’ny alalan’ny kianjan’ny 13 mey hipoka tanteraka omaly. Ny tena tsy nampoizin’ny mpanara-baovao, indrindra ny mpitondra, dia ireo mbola nantenain’ny filoha faratampon’ny foloalindahy fa hobaikony hamoritra hatramin’ny farany ny mpiray tanindrazana aminy indrindra no niala an-daharana voalohany. Toy ny maha lasa saina ihany ny fanehoan-kevitry ny mpahay fiarahamonina iray raha nilaza fa mijery ny tantaran’ny tafika ary lojika ny fihetsiny raha nandray fepetra ny tsy handatsa-dra mpiray tanindrazana intsony satria fantatr’izy ireo fa maika hampiitatra krizy izany. Toa milaza an-kolaka izany hoe tokony haka lesona amin’ny fihetsiky ny tafika koa ny mpanao politika sy ny mpisehatra hafa rehetra ka tsy hamerina izay efa tsy nety tany aloha tany intsony. Iza moa no mpanara-baovao tsy tsikaiky nahita ny filoham-pirenena ankehitriny nangataka tehaka matetitetika tamin’ireo vahoakan’i Faratsiho tamin’ny herinandro ? Miharihary ankehitriny fa na dia ny toerana hametrahan’ny filoham-pirenena ny tongony aza efa mila tsy ho hitany intsony kanefa dia mbola sahiny ihany ny milaza fa tsy mitsoaka ady izy. Tena niady tokoa ve sa nandrangitra ady tamin’ny Valalabemandry ? Andrasan’ny rehetra mba hanaja tena ka hivoaka amin’ny varavarambe izay avy nidirany, araka ny nambaran’ireo ankolafin-kery samihafa ombieny ombieny sisa ity ny filoha.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT