Edito

Andranoraraka


  • Talata 20 Martsa 2018

15.000 isa ireo naratra vokatry ny fandalovan’ny rivodoza farany teo, 17 no namoy ny ainy, 6.000 tsy manan-kialofana. Ny fahavoazana nateraky ny teo aloha anefa tsy tafarina akory.


 Ny fanomanana ny fifidianana ity goragora tanteraka. Na ny fandinihana ny lalàna mikasika izany eny anivon’ireo antenimiera roa tonta aza tsy vitan’ny hoe efa taraiky fa mbola be andininy mampanahy ireo kandida tsy lany tamin’ny anaran’ny fitondrana HVM ihany koa. Nivondrona nanao fanambarana fa tsy mankasitraka izy ireo omaly. Naman’ny tokony hiverina an-doharano tanteraka, araka izany, ny fandinihana ireo lalàna fehizoro miisa 3 natolotra raha ny tokony ho izy saingy mbola ampy ve ny fotoana ? Na ny CENI aza miaiky fa be loatra ny ahiahy tsy ihavanana sy ny kajikajy politika ary nametra-panontaniana mihitsy hoe sanatria ve ho tonga any amin’ny tsy fahalanian’ireo lalàna mihitsy ? Mbola fanontaniana mipetraka koa ny hoe tokony ho laharam-pahamehana ve ny fifidianana raha izao fitrangan’ny toe-draharaha izao ?  Sarotra anefa ny hilaza fa tsy mbola Andranoraraka ny firenena satria efa ela izay nitenenana ny fitondrana izay fa raha nihaino izy dia inoana fa tsy ho tonga amin’izao kihon-dalana ambivitry ny krizy vaovao izao indray isika. Na hihemotra na hiroso dia tsy maintsy ho toro foana ny vahoaka. Ho aiza anefa moa fa izao tokoa angaha no tonga amin’ilay fitenenana hoe mendrika antsika ny mpitondrantsika ?

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT