Edito

Andrana daholo


  • Talata 19 Jona 2012

Mahagaga mihitsy ny fomba fiasan'ny fanjakana eto Madagasikara, hoy ny mpandinika iray.

 Rehefa ripaka ny ala, potika ny tontolo iainana, izay vao hamoahana didim-panjakana hoe tsy azo atao ny manondrana boaderozy. Efa ho 200 kilao ny volamena miondrana tsimoramora vao ambara fa tsy azo aondrana ilay izy. Izao mihetsika indray ny asan-dahalo any atsimo dia iny nilaza iny ny praiminisitra ka haato mihitsy aloha ny fanondranana omby any ivelany. Ny baiko mifanipaka isan-karazany amin'ny samy manampahefana dia efa manginy fotsiny. Mibananaka izany ny sisintanintsika. Ary matoa ny olona sasany tena mahasahy manondrana zavatra sarobidy izany, dia efa manana mpiaro matanjaka izy izany. Ny profesora Zafy Albert moa dia tsy mitsahatra ny manao ampamoaka mikasika ireo raharaha ireo. Milaza moa izy fa manana porofo amin'izany ! Fa ny tena mahavalalanina dia ny hoe : tsy mba mahay mandinika sy maminavina mialoha ny zavatra mety hateraky ny fanapahan-kevitra iray noraisiny mihitsy ve ny mpitondra ? Fa efa misy zava-doza mitranga foana vao mikorapaka mandray fepetra. Izao ny boaderozy efa ho roa taona mihitsoka any Maorisy. Tsy avelan’ny mpitondra kaomaoriana averina ihany koa ireo volamena 63 kilao, fa toa hoe mbola hadihadiana lalina raha avy eto Madagasikara marina.

Tahaka izany koa ny resaka fanondranana omby, rehefa naaton'ny fanjakana ve izany ny fanondranana omby any ivelany, dia tsy hisy intsony koa ny asan-dahalo ? Sa kabary fotsiny ihany ireny, fa mbola mandeha ihany ny fanondranana an-tsokosoko any ambadimbadika any ? Kevokevoka ery niresaka sy nifanaraka tamin'ny orinasa Sinoa Wisco, momba ny fitrandrahana vy ao Soalala. Firifiry ny olona efa nilaza fa sao hampidi-doza io fifanarahana io satria natao maimaika be. Tsy nanaiky ny FAT fa dia niroso ihany, satria nilendalenda tamin'ny volabe 100 tapitrisa dolara. Roa taona aty aoriana, io fa ambara hoe tsy manaja ny bokin'andraikitra ny Wisco ka mety haato ny fahazoandalany hitrandraka ny vy. Amin'ny mpandinika dia midika ho tsy fahamatoran'ny mpitondra amin'ny fitantanana ny firenena izany tranga rehetra izany. Andranandramana daholo izao zava-drehetra izao. Atao ny sonia, mody fanina avy eo. Manaiky fa hihaona sy hidinika haingana, mitady lalan-kafa aleha indray anefa avy eo. Tsy mahay misoroka fa dia mitsabo foana e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

Hijery ny tohiny
FTT