Edito

Andrakandrana mampidi-doza


  • Talata 04 Jolay 2023

Raha ny kabary sy resaka nisy rehetra tetyo aloha dia tena hoe mafy ilay Malagasy. Asa aa ;;;metymisy

fahamarinanyihany izay, mafy satria na dia anatin’ireo firenena 5 mahantra indrindra maneran-tany aza dia ahitana ireo fiar anisan’ny lafo indrindra eto ambonin’ny tany eto Madaasikara, ahiatan ireo finday hiaka farany, hahatazanana trano afaka milahatra tsara amin’ny misy any Beverly Hills, toa rehefa fety dia somebiseby be eraky ny tanàna ary raha sakafo sy fisotrosotroana dia tahaka ny tsy mandry fety fa hita isan’andro. Mety ho izay angamba no mahatonga ny mpitondra fanjakana sty mikorapaka fa manaboribory resaka fotsiny hoe : nahavita isika, nanangana isika …Izao anefa, rehefa tena mandeha ny ady hevitra any anaty fiarahamonina any, miakatrakatra ihany ny feo. Hita taratra eo amin’izya ilay olan’ny fiarahamonina, ny fahantrana efa tena any an-tsoso-koditra ary ny fitaintanan-dava tsy afaka any am-parahatoka. Aoka tsy ho diso hevitra ireo mieritreritra fa mahay politika, aoka tsy hanandrakandrana ny faharetan’ilay gasy kely, fa raha sanatria mitroatra eo ireo tena ho zavadoza a. Tsara efa mba raisina ho lesona ihany io mitanga any Lafrantsa io, ireny aza ambara fa hoe olona efa mandroso, fa gidragidra tsy ifankahitana sy fampisehoana adalana manarapenitra anie no nataon-dry zareo efa ho herinandro izao e. Ka aleo tsy manandrakandran-doza e, raha mbola manam-pahendrena ihany ireo manampahefana dia mandamina ny tontolo, fa raha tsy izay dia hanahirana io a !
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT