Edito

Andraikitra makadiry


  • Alarobia 18 Mey 2011

Na eo aza ny siosion-dresaka ny amin’ny mety hanafoanana amin’ny ora farany ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Sadc tokony hotanterahana ny zoma 20 mey izao dia mbola samy miezaka amin’ny asa fandresen-dahatra ataony ny fitondrana tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina sy ny mpanohitra mivondrona ao amin’ny Rodobe izay mikasa ny hamory vahoaka eny Anosy eny anio.

 Tsy misy mahalala ny any anaty vilanin’ireo etamazaoro politika fa ny hany maharesy lahatra ny mpanaraka sy mahafantatra tsara ny vaovao politika dia hihamafy ireo hetsika fanehoan-kevitra manomboka amin’ity anio ity mandra-pahatonga ny zoma 20 mey. Ny mpanohitra eto an-toerana moa no tena manao izany. Mivoaka avokoa izao karazana fanehoan-kevitra isan-karazany izao fa raha fintinina izy ireny dia miha mitombo isa ireo mahita fa tsy mety ny hihazakazahana hikarakara fifidianana raha toa tsy milamina ny fitantanana ny tetezamita ary tsy mbola mifamela sy mihavana ny Malagasy.

Efa nivoaka tamin’ny faran’ny herinandro teo ihany ny mety ho endriky ny fampihavanam-pirenena, araka ny novolavolain’ny vaomiera miandraikitra izany eny amin’ny Kongresin’ny tetezamita. Ny hanombohana azy dia ny «réconciliation politique», izany hoe ireo mpitondra nifandimby nifanolana sy ny mpanao politika ary ny firaisamonim-pirenena aloha no miresaka. Mifamela sy mihavana izay vao miroso amin’ny dingana manaraka dia ny fampihavanana faobe. Ary na dia ireo niara-nitolona tamin’i Andry Rajoelina teny an-kianja aza dia efa manomboka resy lahatra fa ilaina ny fampihavanana mba hisian’ny fitoniana, ary efa nisy ny fifanatonana teo amin’izy ireo sy ny ao anatin’ny Ankolafy 3 mba handinihana ny tokony hatao momba ity fampihavanana ity. Hanao be marenina ve i Andry Rajoelina sy ireo izay tsy mbola resy lahatra fa mahavita azy ny FAT ka tsy hihaino ireo antso etsy sy eroa isan’andro mba hisian’ny dinika iray vaovao eo amin’ireo ankolafy politika eto Madagasikara. Hita ho manomboka mikoropaka ihany mantsy ny ao anaty sambo ary toa miahotra izany ireo mpandeha saika hiakatra noho ny fahitana fa tsy mbola milamina ny resaka ary tsy mahafehy tsara akory ny zavatra ataony ny mpitarika.

Maro be ankehiriny ireo mahita fa hanan-danja amin’ny fiainam-pirenena sy ny tantaran’i Madagasikara io datin’ny 20 mey io. Na hilamina amin’izay na hikorontana ambony ambany ny firenena aorian’io. Miankina amin’ny mpitondra sy ny mpanao politika izany rehetra izany, satria efa notaterina teto ihany fa ny sehatra iraisam-pirenena koa anie matetika mahay miala bala izay koa raha tsy mitandrina isika Malagasy dia ho tavela eo, ary ataon’ny vahiny fanandramana sori-dalana sy drafitra fotsiny. Tena goavana, araka izany, ny andraikitra iantsorohan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina sy ny fanapahan-kevitra horaisiny satria ny rehetra dia efa manaiky fa tokony hisy ny fifampidinihana vaovao hafa indray ary ireo filohan’ny ankolafy mihitsy no mihaona mba hampazava tsara ny resaka sy ny lalan-kizorana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT