Edito

Andeha ho aiza ?


  • Zoma 23 Martsa 2012

Tsy mbola mazava mihitsy hatramin’izao ny tena tian’i Andry Rajoelina hahatongavana, ka mahatonga azy sy ireo mpiara-miasa aminy mandray fanapahan-kevitra, hafahafa sy mahatalanjona. Fandaminana ny firenena taorian’ny nitrangan’ny krizy politika marina ve no atao eto sa inona ?

 Misimisy ihany ireo fomba fiasa sy fanapahan-kevitra nanakianana ny fitondrana teo aloha, saingy telo taona aty aorian’ny nandrodanana azy, dia toa ny teo ihany no miverina, ary vao mainka aza ratsy kokoa ny zavatra ataon’ny mpitondra fanjakana. Tsy avela maneho hevitra an-kalalahana ny olom-pirenena, nakatona ny kianjan’ny demokrasia. Efa mba miezaka kely ihany ny ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana amin’ny fandefasana vaovao hafa, saingy mbola hita taratra ihany ny fanasohasoana ny mpitondra fanjakana. Ireo onjampeo tsy miankina nakatona moa dia tsy misy resaka intsony ny hisokafany mba hanatontosana fandaharana. Miha mahazo vahana eto amintsika ankehitriny ny fangoronan-karena haingana sady maharitra, ka ireo mpandraharaha sy mpanao politika ary mpitondra ambony sasany, ambara fa akaikin’i Andry Rajoelina no voatonontonona lava fa manao izany.

Nanakianana ny teo aloha kanefa dia mbola mitranga ankehitriny ihany ny fanagadrana miaramila, fampiasana vola ao amin’ny foloalindahy ary ny fanatavezana ireo manamboninahitra ambony manana andraikitra, hany ka misy fimenomenomana foana any an-dakazerina any. Ny samy miaramila aza toa tsy mifampatoky intsony, ary hita mazava fa tafiditra ao amin’ny foloalindahy ny politika. Tsy nahavita azy ny FAT tao anatin’ny telo taona. Niavonavona tany am-boalohany raha noresahana ilay hoe fiaraha-mitantana amin’ny ankolafy hafa. Nanaiky ihany taty aoriana rehefa voasonia ny tondrozotra.

Ny hita anefa dia toa manao be marenina indray amin’ity fiaraha-mitantana ity ny ankolafy Rajoelina ary mbola manao ny fomba nahazatra azy hatramin’izay ihany, dia ilay fitantanan’ankolafy tokana. Ambara fa hanatanteraka fifidianana madio sy mangarahara isika, amin’ity taona 2012 ity. Izao anefa tsy mbola natomboka ihany ny fanatanterahana ireo fepetra mba hametrahana ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana, fa dia mbola ny don-tandroka sy fanagadrana ihany no mitranga. Fa mizotra mankaiza marina ary isika ity e ? Inona no tena tanjona ? Hisy moa ny fanazavan-kevitra hotanterahan’i Andry Rajoelina anio alina, koa dia ho hita eo ny hambarany manoloana ireo fitaintainana sy ahiahin’ny vahoaka.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT