Edito

Anaty maizina indray !


  • Alakamisy 08 Desambra 2011

Sarotsarotra ihany ny fandehan'ny raharaha politika amin'izao fotoana satria manomboka indray ny savorovoro sy ny sangodimpanina.

 Manao politikan'ny miditra dia mivoaka ny ankolafy Ravalomanana. Noho io dia nandringa ny fandinihana sy fankatoavana ny sori-dalana tao amin'ny lapan'Anosikely omaly satria nivoaka ny efitrano fivoriana ireo CST zanak'i Dada. Hentitra sy mazava ny tenin'ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa, iray amin’ireo CST nivoaka ny trano, fa tsy handray anjara intsony amin'ny adihevitra sy ny fifidianana ao amin'ity andrim-panjakana ity ny CST avy amin’ny ankolafy Ravalomanana satria tsy hita taratra ao mihitsy ny fiaraha-mitantana ambaran'ny tondrozotra fa dia nanjakan'ny mpomba an'i Andry Rajoelina ny toerana ao amin'ny birao maharitra. Efa nisy ihany ny karazana fifanarahana nataon'ity ankolafy ity tamin'ny UDR-C saingy toa tsy nahomby izany. Tsy niandry ela moa fa efa nieritreritra ny vahaolana amin'izao tranga izao ny filohan'ny CST ny jeneraly Rasolosoa Dolin sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ka nanipy hevitra ny amin'ny hampitomboana ny isan'ireo filoha lefitra ao amin'ny birao maharitra, ary dia omena toerana sahaza azy ny mpanohitra.

Ho hita eo anio ny tohiny. Ny zava-misy aloha dia efa tara ilay tetiandro tokony harahana ny fandaniana ilay tondrozotra mba tena hampanan-kery azy tahaka ny lalàmpanorenana. Mila ankatoavin’ny Kongresin’ny tetezamita koa io. Nanomboka omaly tokoa mantsy ny fivorian'ny Vaomieran'ny filaminana sy ny fandriampahalemana na CPS ao amin'ny Vondrona Afrikanina ary amin'ity anio ity kosa ny fivorian'ny GIC-M, samy any Addis Abeba no hanaovana izany. Handinika ny raharaha Madagasikara ireo fivoriana roa ireo, ary tokony hanapa-kevitra. Mbola misafotofoto sy variana amin'ny fifidianana ny ao amin'ny birao maharitra sy ny filoham-baomiera anefa ny Parlemantan'ny tetezamita ka tsy nahavita ara-potoana ny zavatra tokony nataony. Ary hita ho tena miha mafana ny adihevitra politika mifangaro ady seza. Etsy ankilany ny Ankolafy Zafy tsy mbola tafiditra anaty Parlemanta na nanao sonia ny tondrozotra aza.

Ny Ankolafy Ratsiraka moa na ny tondrozotra aza tsy mbola nosoniaviny, izay midika fa tsy mbola ankatoaviny. Ny tena mampanahy ihany koa dia ny fahitana fa tsy voahaja ilay hoe fiaraha-mitantana ka tsy mahagaga raha misy ankolafy misintaka, na tsy mety miditra anaty rafitra. Dia hihemotra indray izany ny fahazoana ilay fankatoavana iankinan'ny fiverenan'ny fanampiana ara-bola hampiasaina amin'ny fifidianana. Raha tsy vita fifidianana anefa dia tsy hisy famatsiana ara-bola goavana hahafahan'ny fanjakana miasa. Marina fa nahazo toky tany Frantsa indray ny filohan'ny tetezamita, saingy ny toky fitaka fa ny atao no hita e ! Mba sahirana ara-bola koa anie Lafrantsa e, tahaka ny firenena Eoropeanina maro, ka asa hoe ahoana ihany no hiafaran'ity Gasikara ity. Betsaka ny fifanekena saingy tsy misy ny fifandeferana. Be loatra koa ny mpanao politika tia seza ka lasa tsy manaja ny foto-kevitra nijoroany intsony fa miditra aloha dia ao mahita izy, dia rehefa tsy metimety dia mivoaka indray. Tafiditra anaty tonelina maizina indray izany ny lamasinina e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT