Edito

Anaty krizy lalina


  • Alarobia 15 Martsa 2017

Mazava tsara izao fa latsaka an-katerena ny firenena Malagasy, hita ho tena sempotra ny fitondram-panjakana indrindra moa fa nisy an’iny rivodoza Enawo iny izay nanampy trotraka ny fahasahiranana.Raha toa ka efa ny 90% n’ny Malagasy no sahirana teo aloha, dia asa fotsiny ny zava-misy amin’izao fotoana.Tsy misy mandeha amin’izay laoniny eto,

atao ihany ny atrikasa, fampiofanana fa tsy misy vokany tsara misongadina e.Tsapa amin’ny fomba firesaky ny olonasy ny adihevitra hita etsy sy eroa fa efa tsy mitsinjo lavitra intsony ny Malagasy , mbola vaky loha amin’izay hohaniny anio..miha lehibe hatrany ny elanelana eo amin’ny sahirana sy ny manan-katao, ny ankamaroan’ny mpitondra fanjakana moa dia azon’ny tazom-pahefana sy ny vola ka tsy mahalala ny zava-misy marina sy ny tena tokony ataon’izy ireo intsony.Dia izao iaraha-mahita izao ny fahavoazana, misy dikany goavana ny fitsidihana nataon’ny masoivohon’ny PNUD eto amintsika tany avaratra atsinanan’ny nosy andro vitsy lasa izay sy ny fankaherezana an-taratasy ofisialy nataon’ny fanjakana Frantsay sy Amerikanina.Firenena mbola anaty krizy i Madagasikara, ka hahavita hanavotra azy amin’izany veny fitondrana HVM e ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT