Edito

Anatry ny ho avy !


  • Alarobia 06 Aprily 2022

Toa tapi-dalan-kaleha tahaka ny sokina nanani-bato ny Fanjakana anketriny, tototry ny olana sy ny fahasahiranana. Tsy manana vahaolana firy, fa ny eo tsy miravona ary ny hafa miforona ihany koa.

Tototry ny vavam-bahoaka, saingy tsy afa-manoatra firy, fa dia mizaka ny ngidiny eo. Miakatra isan’andro ny vidim-piainana, saingy tsy misy vahaolana tena mahomby sy maharitra, fa toa misavoamboana. Eo am-pelantanan’ny hafa ny ain’ny Malagasy ! Hatreto, firenena mpanjifa isika kanefa dia sahin’ny Filoha ny mirehareha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany raha tsy hilaza afatsy ilay sambo hitondra entana ilaina andavanandro na PPN satria ny vary, hono afaka roa taona vao miakatra. Ny politikam-pamokarana mety misy ihany, fa tsy ampy, ary mbola tsy any no laharam-pahamehana kokoa. Angaha tsy mba naka tahaka tamin’ny Filoha teo aloha nodimandry fa ny firenena mandroso ho an’ny taona roa arivo anie ka izay mahavita tena ara-tsakafo sy afaka manana ambim-bava, manondrana any an-kafa. Mbola kianja manara-penitra sy ny teleferika aloha izao no maika moa o! Na ny mpomba ny Fitondrana aza anefa efa tena misy ny sahy mijoro ampahibemaso, fa misy tsy araka ny tadiavin’ny vahoaka ny zavatra hatao, ka isan’ireny ny fanambarana miezinezina namakian’ny depiote Brunelle Razafitsiandraofa. Sarotra sy mety fadin-drazana ve ny mba hiaiky fa manam-pahadisoana ka ny tokony ho arofanin’ilay fitondrana aza sokajiana ho fahavalo. Aiza moa no tsy ho any an-kady no hizoran’ny fitantanana firenena! Efa tena miaina ao anatin’ny politikan’ny bemarenina ka na iza na iza sahy manakiana sy miteny ny tsy mety dia fahavalom-pirenena avokoa? Ilay antsoina hoe: “fandrosoana” mihitsy angamba no mila fiheverana ny famaritana azy mba tsy ho haingo ambony tsikoko hatrany. Anatra ho an’ny vahoaka izao, mila mahay mandinika sy mamakafaka rehefa tonga propagandy, ka mba tsy ho noho ny artista mampandihy fitombenana sy ny fampanantenana pisinina olaimpika any amin’ny tany tsisy rano tsisy rano no mason-tsivana hifidianana mpitondra. Mila mahay mandinika ny ho vita sy tsy ho vitan’ilay kandida fa tsy ho tratry ny fita-bitro amin’ny trano ho an’ny sahirana, kanefa ny tany lasan’ny karana no betsaka. Mila olona mahay sy mahalala tsara ny hoe : iza marina ny Malagasy sy ny vahoaka ao aminy ary ny zavatra andrasany, fa ny sasany omby vositra aza lazaina ampiterahany, ny vary lazainy roa taona vao miakatra,… Mbola lalaoviny amin’ny horonantsary misy mpaminany sandoka dia sodoka tokoa fa hanavotra firenena ry mpahay fahagagana, kinanjo nitarika an’i Madagasikara any amin’ny rambony no tena nataony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT