Anarina foana

15 taona nidoforana teo amin’ny fitantanana ny firenena izany


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

izao ny antsoina hoe fitondrana Rajoelina, raha atao bango tokana

ny zava-nisy niainan’ny firenena nanomboka ny taona 2009 ka hatramin’izao. Na tiany na tsy tiany, hoy ny fomba filazan’ireo ivelan’ny fitondrana azy izay, dia olony ihany koa no napetrany teo ny taona 2013 ka hatramin’ny taona 2018, rehefa tsy nahita lalana hivoahan’ilay firenena tao anatin’ny krizy nandritry ny 5 taona nitantanany tetezamita (TTF :2009-2013) ilay filoham-pirenena ankehitriny tamin’izany fotoana izany. Mbola nahatafavoaka izany koa anefa ny olona natolony handimby azy na dia heverina aza hoe nisy tetikasa vitsivitsy azo noraisina sy efa naika nahatafarina ny toekarena tamin’ny ampahany ihany tamin’ireny fotoana ireny rehefa mijery ny fivoaran’ny harinkarena na PIB moa izany. Mba tsy hilazana hoe naongana tamin’ny fomba mihaja nefa moa dia andeha atao noterena an-kolaka hiala tamin’ny toerany tsy ara-potoana indray ilay filoham-pirenena nandimby filohana tetezamita rehefa tratry ny tsindry isan-karazany ka nahatsiaro tena ho voatery nanao fifanarahana politika. Nisy fifanarahana na tetikasa teo amin’ny lafiny angovo toy ny resaka Symbion power sy ny menaka mavesatr’i Tsimiroro, ohatra, nefa tao anatiny fa dia tsy nisy tohiny noho ny tonga ny fitondrana «vaovao». Na ny anarana «Garan’ny Fisandratana» tery amin’ny lalam-baovao tery aza nokosehina. Lonilony politika ve no antony sa izay no antsoina hoe miova andriana, miova sata aminy? Nofy izany aloha, raha ity firenena ity manokana, 65 mihitsy izay izany atao hoe fitoizan’asa na «continuité de l’Etat». Hatrany amin’ny fitondrana Ratsiraka no nankaty dia samy te hametraka ny anarany sy hamono ny anaran’ny hafa foana no hita ho toy ny ezaka ataon’izay tonga rehetra. Ny tao anaty «Boky mena» tokoa ve izao mba nisy noraisina tao anaty «MAP»? Ny tompon’ity farany moa raha nilaza tamin’ny fotoan’androny hoe «Tohizo ny lalana» dia ny hoe «Ny lalana angaha azo hohanina?» no nanakoako ho setriny. Ny «MAP» ve mba nisy noraisina nankao amin’ny «Vina fisandratana» na ny «Vina fisandratana» mba nisy noraisina tao anaty «IEM»? Mba nisy nampifandraisin’ireo mpitondra nifandimby ve ny vinan’ny teo alohany sy ny azy sa dia naman’ny tetikasa milevina vaovao eto amin’ity Madagasikara ho malaza hatramin’ny ela fa fasana tetikasa ity daholo izany rehetra izany? Sa noraisina ihany fa nolazaina fa an’ny tena madiodio ilay izy rehefa mba sendra vita na dia ny namarana aza sisa no natao taty aoriana? Anarina foana fa tsy mbola naka lesona na dia nahita ny lesoky ny hafa rehetra tao anatin’ny 65 taona aza ireo mpitondrantsika mandrak’androany! Asa! Rehefa hidofotra fanimpiriny izay vao ho tonga saina ihany?
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT