Edito

Anarana fotsiny !


  • Alakamisy 03 Novambra 2011

Raha ny fandinihana ny fizotry ny raharaha nanomboka ny zoma lasa teo dia mety mbola haharitra ihany ny adihevitra eo amin’ny fampiharana ny sori-dalana sy ny fananganana ny governemantan’ny firaisam-pirenena.

 Tsy manaiky ny fanendrena an’Atoa Omer Beriziky mantsy ny mpanohitra indrindra fa ny ankolafy Ravalomanana ary tsy nipetra-potsiny fa efa nihaona sy nidinika tamin’ny tompon’andraikitry ny Troika sy ny SADC. Raha dinihana tsara ny zava-misy dia vitsy no resy lahatra amin’ity praiminisitra vaovao notendren’i Andry Rajoelina ity hoe tena hahatafavoaka ny baolina marina ve izy ? Iaraha-mahalala mantsy fa efa nifampikasokasoka tamin’ny FAT Atoa Omer Berziky, ary olon’ny Leader Fanilo. Tsy hiverenana intsony ny amin’iny fa dia efa mazava izany fa manohana an’i Andry Rajoelina tsotra izao izy. Ny ankolafy Ravalomanana manokana dia tsy mankasitraka azy hitantana ilay governemanta ary raha mety hitaky mihitsy ny famerenana ny fisafidianana ny praiminisitra. Ny ankolafy Ratsiraka ihany koa dia tsy tena marisika amin’ity praiminisitra vaovao ity ary hatramin’izao dia tsy mbola fantatra hoe rahoviana no hanasonia ilay sori-dalana.

Tsy ho tomombana araka ny tokony ho izy mihitsy, araka izany, ny governemanta hijoro eo raha hihazakazaka amin’izany Atoa Beriziky satria dia ireo olona efa manohana ny foto-kevitra ijoroan’ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ampian’ireo tia seza sy tsy menatra intsony mamadika palitao no hameno ireo ministera. Dia ny teo ihany izany no hiverina ary hitarazoka hatrany ny asan’ny fitondrana tetezamita. Tsy mora mihitsy ilay hoe fiaraha-mitantana, saingy vao hihasarotra ny raharaha raha mbola manana eritreritra haka tombony foana ny ankolafy Rajoelina. Tsy misy zavatra handeha sy handroso eto raha tsy mifanaraka tsara ireo vondrona politika, indrindra moa fa ireo vondrona lehibe, izay antsoina amin’ny hoe ankolafy 4, niaingan’ny fifampidinihana tamin’ny 2009. Tsy azo lavina ihany koa aloha fa tsy maintsy misy ny paika isan-karazany ataon’ny vondrona politika tsirairay avy mba hahazoany toerana tsaratsara kokoa ao anatin’ny rafitra tetezamita.

Tsy midika anefa izany fa dia tsy maintsy hifanipy hoditr’akondro foana fa afaka miara-miasa tsara rehefa samy mieritreritra ny tombontsoa iombonana. Raha nisy ny olona nifankahala ary tena tahaka ny sakay sy maso mihitsy dia anisan’izany ny filoha Zimbaboeanina Robert Mugabe sy ny praiminisitra Morgan Tsvangirai izay nosamborina sy nogadraina mihitsy. Rehefa nandeha anefa ny dinika sy ny adihevitra dia afaka niara-niasa sy nifandray tanana ihany ny roa tonta ary efa tena manomboka ny fanarenana an’i Zimbaboe amin’izao fotoana na dia ady saritaka sy fandrobana ary vono olona mahatsiravina sy fanombohana adim-poko sy fankahalana vahiny aza no nitranga tany. Nahoana moa izany no tsy ho vitan’ny Malagasy izay malaza amin’ny fihavanana sy ny fifandeferana ? Dia ho hita eo ihany fa raha ny fahitana azy aloha dia ho sarotra ny lalana ho an’i Omer Beriziky ary maro no efa maminavina fa mety ho praiminisitra … anarana fotsiny tahaka an’i Mangalaza Eugène izy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT