Edito

An-tsisin-tosy …


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Miteraka adihevitra goavana ho an’ny mpanara-baovao sy any anaty tambajotram-pifandraisana ara-tsosialy amin’izao ny momba ilay fianianan’ny filoha tsy hisy fotoam-pivavahana, tsy hisy fampiasana baiboly.

 

 Samy manana ny fandraisany azy ny rehetra. Raha ny lalàmpanorenana aloha no jerena dia tsy misy manery azy hianiana amin’ny baiboly tokoa. Ny ao anaty làlampanorenana anefa dia ahitana ny : « Eto anatrehan’Andriamanitra Andriananahary sy ny firenenan ary ny vahoaka »,  rehefa hianiana ny filoha, ka misy resa-pinoana ihany io na inona na inona holazaina. Sa tsy hotononina izany amin’ity indray mitoraka ity ? Mahagaga ihany io fanapahan-kevitra io na voizina aza fa tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny resa-pivavahana. Hatramin’izay, nisy foana io, ary tsy mbola nisy nametraka olana na antokom-pivavahana na fiangonana na finoana iza na iza satria efa izay ny lamina nipetraka. Ny hiram-pirenentsika aza anie, ka misy vavaka fangatahana hoe : « Tahionao ry Zanahary ity nosindrazanay ity ». Dia mandeha indray ny famoaboasana ny teny « Zanahary », izay tsy amin’ny heviny amin’ny kristianina, hoy ny sasany, ary mety hisy fahamarinana tokoa izany. Tsy hifanome lesona na hifampitsikera eto fa na ny nanoratra ny tonon’io hiram-pirenentsika io aza anie ka Pasitera Kristianina, ka raha raisina sy vinavinaina amin’izany dia ny foto-kevitra sy foto-pinoana kristianina no niaingana. Na ireo hira nifaninana hatao hiram-pirenena tamin’izany aza anie ka misoratra anaty fihirana kristianina e ! Na ilay kandida lasa filoha aza anie, ka nampiasa tenin’ny soratra masina nalaina tao anaty baiboly nandresen-dahatra ny vahoaka e ! Nozimbazimbaina sy natao fitaovana nakana fom-bahoaka ve sanatriavin’ny vava ilay tenin’ny soratra masina ? Izy ireo no tompon’ny baolina ary malalaka amin’izay tiany fa mba fanontaniana ny an’ny maro e ! Eto amintsika rahateo, dia toa izay lazain’ilay andrim-panjakana iray sy ny filohany, dia tsy azo ivalozana intsony ka na ny mainty aza no lazainy fa fotsy dia tsy maintsy ekena. Enga anie mba ho tena fanatsarana no ambadik’ity fanapahan-kevitra noraisina ity, fa tsy arakaraka ilay eritreretin’ny ankamaroan’ny olona dia ny tetika hampanjakana ny maizina. Mizotra mainkaiza re isika izany e ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT