Edito

An-tendro-molotra fotsiny ?


  • Alatsinainy 30 Martsa 2020

Tsy andron’ny fifanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny filoham-pirenena tamin’ny andro voalohany nanambarany fa tafiditra eto ity areti-mandripaka.

Nisy mantsy ny nanome tsiny, fa tokony mba nihaino ny hafa tamin’ny fanehoan-kevitra hoe: tokony hatsahatra haingana aloha nny fidiran’ny sidina iraisam-pirenena, indrindra fa ny avy any Eoropa. Nampiaka-peo ny Filoha rehefa nisy ny olona naneho ny tsy fahatokisany ny antontan’isa. Nisy fotoana toa nitsimbadika tany amin’ny resaka valin-kafatra politika ny fandaharana nataony. Vao andro vitsy izay, dia nanangam-bovona ny minisitra iray, fa tsy mandefa manontolo ny vaovao mikasika ny Covid-19, hono, ny haino aman-jery sasany. Ny tena marina dia toa izy tenany no nosivanin’ny haino aman-jery iray, hany ka tsy levon’ny vavoniny. Lasa mivadika ho fandrangarangana hery sy don-tandroka politika ny raharaha. Lasa sangisangy zary tenany indraindray ny fanehoan-kevitra mandeha rehefa manjohy ny resaka nataona tompon’andraikitra ara-panjakana sasany ny olona, ary eo no mila hakan’ny mpitondra lesona hoe: ny teny toy ny salaka ka ny tena ihany no afatony. Tany aloha dia nambara fa tsy mafy ny pesta sy kolera io, tsy mafy noho ny krizy 2002 io. Tamin’izany izay ambara fa mafy noho izao, tsy nisy mpitondra nanery ny haino aman-jery tsy maintsy handefa ny tenin’ny mpitondra manontolo, tsy nisy faneriterena ny asa fanaovan-gazety, ary izy ireo aza tena nanenjika fanjakana mafy tao anatin’ny ady natrehana, hoy ny olona sasany. Toa tsikaritra ihany indraindray ny fifanaovana fomban’ny mpitari-bato vilam-bava, ary miteny zavatra tsara sy maharesy lahatra aza mbola misy manankihana, mainka fa manao teny tsy voalanjalanja azon’ny olona tsongolohana tsara. Efa re teto ny hoe: izahay izao no eto dia hainay io fa mangina. Nisy ihany koa anefa ny antso fifanomezan-tànana sy firaisan-kiana ka tokony hampandeferana ny hambo-po politika. Izay manolo-tànana anefa toa misy tratry ny tosi-bohon-tànana ihany. Efa hatrany amin’ny voka-dratsin’ny andro ratsy no nisiana raharaha teto hoe: ny olona mitondra fanampiana indray no henjehina. Tamin’izao coronavirus izao nisy nanolo-kevitra maro, fa toa tsy misy mpiraharaha, kanefa misy milaza ohatra mihitsy fa mahita làlam-bola. Sao dia an-tendro-molotra fotsiny ilay tokony hanajanonana ny hambo-po noho ny politika? Ady iraisana ity, ka tsy tokony hifanome lagy sy hifampihatsara ivelatsihy, ary tokony hamafisina ny fiombonana! Tokony handinin-tena ny tsirairay indrindra fa ny samy mpanao politika.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT