Andrasana amin’ity herinandro ity ny fivoahan’ny daty momba ilay fihaonan’Atoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana.
Efa ho roa herinandro moa izay no dila taorian’ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny SADC tany Angola ka namoahana io fehin-kevitra io. Nambara tamin’izay fa tsy maintsy tanterahana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana ilay fihaonana. Efa manaiky azy io ny andaniny sy ny ankilany. Manohana ny fisian’ny fihaonana ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena mba tsy hitenenana hoe manery ny hisiany. Ny sabotsy 09 jona teo dia nahoraka teny amin’ny Magro fa hoe eto Madagasikara no hanatanterahana ny fifampidinihana ary dia efa mivonona ny hitsena an’i Dada indray ireo mpitolona tsy mbola reraky ny telo taona nandehanana teny an-kianja. Mifanandrify indrindra amin’ity resaka ity dia tapa-kevitra ny hiverina amin’ny fanelanelanana indray ny FFKM rehefa tsy nety nanao izany tao anatin’ny telo taona. Efa nodinihan’ireo filoham-piangonana efatra mirahalahy ny tolo-kevitra sy hetaheta nangonin’ny SEFIP.
Efa nanao fanambarana ny fahitany ny raharaham-pirenena tamin’ny ankapobeny ihany koa ny FFKM koa dia izao miroso amin’ny dingana manaraka izao. Mankasitraka ity fanelanelanana ity amin’ny ankapobeny ny olona na dia eo ihany aza ireo milaza fa tsy tokony hiditra amin’ny resaka politika mihitsy na dia kely aza ny fiangonana satria anisan’ny antony nahatonga savorovoro teto Madagasikara izay. Amin’ny maha raiamandreny azy ireo anefa dia tsy mety raha hitazam-potsiny ny krizy mikiky ny firenena ny FFKM ary tsy afaka ny hikimpy maso koa manoloana ny fahasahiranana sy fijalian’ireo ondriny an-tapitrisany, ary tsy hionona fotsiny ihany koa amin’ny fanakianana na fibedesana fa tena hitondra ny anjara birikiny ka hanolotra vahaolana ho amin’ny famahana ny krizy. Tsapa ankehitriny fa efa tena tapi-dalan-kaleha Atoa Andry Rajoelina ary sahirana amin’ny famahana ny olana, fitakiana etsy fitokonana eroa.
Miala bala sisa no ataon’ny fitondrana tetezamita fa tsy afaka miatrika ny olana intsony. Ilaina haingana dia haingana, araka izany, ny fisian’ny vahaolana politika, ho mora kokoa ny manasitrana ny fahavoazana ara-tsosialy avy eo. Tsy mety ny milaza fotsiny fa misy ambadika politika ny fidinana an-dalambe ataon’ny olona sy ny fitakiana sendikaly misy eto. Misy antony matoa tonga amin’ireny dingana ireny ny mpiasa sy ny olom-pirenena ka mila tonga saina ny manampahefana sy ny mpanao politika fa tena efa an-tendakely ny krizy e ! Efa nilaozan’ny vanim-potoana ilay fanapahan-kevitr’ankolafy tokana tsy mahavaha olana koa inoana fa hamokatra amin’izay fa tsy hitsefotra tahaka ny rehetra nisy teo aloha ny fifampidinihana manaraka eo.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.