Edito

An-kitazatazana fotsiny


  • Talata 18 Aogositra 2015

Mahoraka indray izao fa hisy ny fanovana ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta aorian’ny fivoahan’ny vokatra ofisialy amin’ny fifidianana ben’ny tanàna.

 


 Siosion-dresaka no nahenoana omaly fa  misy ny fifampiresahana mangingina any ambadika any eo amin’ny filoham-pirenena sy ireo solombavambahoaka ka lahadinika amin’izany ny momba ilay « pacte de responsabilité » narangarangan’ny HCC fa tokony hatao mba hampilamina ny tontolo politika eto Madagasikara. Manomboka miteniteny etsy sy eroa ihany koa ny vondrona depiote vitsivitsy milaza fa tokony hisy ny fivoriana tsy ara-potoana satria mila dinihana amin’izay ilay volavolan-dalàm-panitsiana ny tetibolam-panjakana 2015 satria mikatso ny asa ary efa tena ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka mihitsy ny resaka fampiasam-bolan’ny fanjakana amin’izao fotoana satria efa tokony hialoha ny volana jona no nodinihana io fanitsiana io fa tsy aty amin’ny volana aogositra. Zavatra tsy dia mahagaga ihany anefa satria efa tompondakan’ny fandikan-dalàna ny eto ka na ny tsy mety aza terena ho mety tsotra izao dia samy mitazantazana fotsiny e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT