An-jambany!

Raha te hiala amin’izao fahantrana lalina sy mangitsokitsoka izao, hoy ny fanentanan’ny artista sasany izay nalaza


  • Alarobia 18 Oktobra 2023

omaly, dia fidio ihany ny filoham-pirenena teo aloha. Avy dia lojika be ny fanontanian’ny maro naheno ilay

fanentanana hoe ireto artista ireto izany samy mahatsapa fa anaty fahantrana lalina sy mangitsokitsoka ihany isika amin’izao fotoana izao saingy maninona ary izy ireo no mbola manentana ireo mpiray tanindrazana aminy hiverina hifidy ilay nampitondra izany fahantrana lalina sy mangitsokitsoka izany? Sa ve ireto artista ireto ao anatin’ilay sokajian’ny filoham-pirenena teo aloha efa lasan-ko razana izay hoe “gasy mora manadino”? Diso mora manadino loatra mihitsy aza angamba! Miverina tsaroana miaraka amin’ireny koa, mazava ho azy, ireo mpanao politika sy mpandinika sasantsasany izay fatra-pitsikera iny fitondrana vao vita tao anatin’ny 5 taona iny kanefa dia nanaitra ny maro indray amin’izao fotoana izao ny filazan’izy ireo fa aleo ihany ilay teo! Samy heno nitsikera daholo ireo fa miha tsy tan-dalàna ny fitondrana mijoro. Samy nilaza fa fitondrana tsy mahavaha olana. Nirongatra tao anaty fitantanany ny tsy fandriampahalemana, ny delestazy, ny tsy fisian’asa, ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny rehetra kanefa ankehitriny dia hoe aleo ihany io aloha! Tsy toy ny milaza ve hoe aleo ireo tsy fanjariana marobe tao anatin’ny 5 taona hitohy ihany aloha? Vola ve no antony? Tombontsoa manokana ve? Fandrahonana ve? Na inona na inona anefa no ao ambadik’izany rehetra izany dia hita ankehitriny fa an-jambany no anarahan’izy ireo izany firehana izany ary manomboka miha hita miharihary hatrany hatrany!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT